Fandalinana Faha-10 : NY BATISA AO AMIN’I JESOSY-KRISTY
Fandalinana Faha-10 :
NY BATISA AO AMIN’I JESOSY-KRISTY
10.1 NY MAHA ZAVA-MANAN-DANJA LEHIBE NY BATISA
Nomarihana matetika teo amin’ireo fandinihana teo aloha ny maha-zava-manan-danja lehibe batisa, ny fanaovana batisa, arak’izany no dingana voalohany atao ao amin’ny vali-teninay ao amin’ny Filazantsara. Hebreo 6:2 dia manambara ny batisa ho anisan’ny iray amin’ireo foto-kevitra tena manna-danja. Raha hiverenana ny fandinihina hatreto dia tsy mety hanan-kery ny batisa raha tsy misy ny fahalalana fototry ny fahamarinana ao aminy Filazantsara. Rehefa avy mandinika ireo fahamarinana ireo ka liana te hiombona amin’ny fanantenana lehibe izay omen’ny Baiboly antsika dia tsy misy zavatra tokony ho atao intsony afa-tsy ny fanaovana batisa.
“Avy amin’ny Jiosy ny famonjena” (Jaona 4: 22). ;Araka ireo fampanantenana mikasika ny famonjena izay natao tamin’ny Abrahama sy ny taranany. Tsy afaka mandova ireo teny fikasana ireo isika raha tsy manaiky ho taranak’i Abrahama koa amin’ny alalan’ny batisa ao amin’i Jesosy-Kristy (Galatiana 3: 22-29).
Araka izany, Jesosy dia nibaiko ireo mpianany hoe: “Mandehana any amin’ny tontolo izao, torio ny Filazantsara (izay voarakitra ao ireo fampanantena an’I Abrahama - Galatiana 3:8) ho an’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa dia ho vonjena (Marka16: 16). Izany dia maneho amintsika fa raha ny Filazantsara tokana ihany dia tsy mahavonjy antsika, ary ny batisa dia tsy zavatra azo hisafidianana eo amin’ny fiainan’ny Kristianina iray, fa kosa fepetra iray takian’ny famonjena. Izany dia tsy midika akory fa ny batisa irery ihany no mahavoavonjy; fa tsy maintsy arahina fiainam-pankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Manindr mafy an’izany Jesosy “Lazaiko anareo marina dia marina tokoa, raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy ny olona iray dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 5:5).
Io fahaterahana avy “amin’ny rano”(“ivelan’ny rano teny Grika”) dia mampiseho olona iray mivoaka avy anaty rano izy avy nanaovana batisa azy; ary avy eo dia tokony hihavao ao amin’ny fanahiny izy. Io fihavaozana io dia tokony hitohy : “Fa efa nateraka indray… dia tamin’ny Tenin’Andriamanitra” ( 1 Petera 1: 23) . Araka izany dia ny avy amin’ny alalan’ny fifampikasohana mitohy amin’ny Tenin’ny Fanahy Masina no ahaterahantsika indray am-panahy (Jereo fampianarana 2.2).
Fa “ao amin’i Kristy” no nanaovana “batisa" antsika (Galatiana 3:27), amin’ny anarany (Asa 19:5; 8:16; Matio 28:19). Marihina fa ao amin’i Kristy no anaovana batisa, fa tsy ao amin’ny atokom-pinoana. Raha tsy misy ny batisa, dia tsy mety ho “ao amin’I Kristy” isika; ary dia tsy voaray ao amin’ny isam-panavotany (Asa 4:12). Petera dia mampiseho amintsika fanoharana mahery momba izany loha-hevitra izany. Ampitahainy amin’ny sambo-fiaran’i Noa i Kristy, izay mampiseho, fa toy izay namonjen’ny sambo-fiara an’i Noa sy ny fianakaviany tamin’ny fitsarana ny mpanota, dia toy izany koa no hamonjen’ny batisa ao amin’i Kristy ireo mpino manoloana ny fahafatesana mandrakizay (Pet3:21). Ny fidiran’ny Noa tao anaty sambo-fiara dia ampitahaina amin’ny fidirantsika ao amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny batisa. Ireo izay rehetra tany ivelan’ny sambo-fiara dia potika tao amin’ny safo-drano, ny hoe eo akaikin’ny sambo fiara na koa hoe naman’i Noa dia tsy nahavonjy mihitsy akory, ny hany fomba mahavonjy dia ny mandeha ao anatin’ny sambo-fiara; ary ankehitriny , dia ny ao amin’i Kristy. Miharihary ankehitriny, ny fihavian’ Kristy faharoa, dia ny tandindon’ny safo-drano (Lioka17:26-27), dia efa akaiky tokoa ny fahatongavany. (Jereo fanazavana 3). Ny fidirantsika ao amin’ny sambo-fiara, izany hoe ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny batisa dia tena maika tokoa.
Ireo kristianina voalohany dia nanaraka ny baikon’i Kristy, ny handeha hitety ny tany rehetra mba hitory ny Filazantsara sy ny batisa ; izany asa izany dia nambara tamintsika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Izay mampiseho antsika ny mahazava-dehibe tokoa ny batisa, ary ambara matetika fa ny olona dia natao batisa avy hatrany rehefa nanaiky ny Filazantsara (Raisina ohatra amin’izany : Asa 8:12,36-39; 9 :18 ; 10:47; 16:15). Io fanindrina manokana ny momba ny batisa io dia azo an-tsaina mazava, satria raha tsy misy io fihetsika io dia tsy misy dikany ny fahalalana fotsiny ihany ny Filazantsara, fa ny batisa koa dia dingana voalohany ihany mankany amin’ny famonjena amin’ny tranga samy hafa, ny boky dia manipika fa eo anatrehan’ireo olana sy ny fialantsiny manokana, ireo olana dia tsy maintsy resena miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra.
Ilay mpiandry ny trano-maizina tany Filipy dia azom-pahasahiranana ara-tsaina mafy taminy horohoron-tany izay nampihozongozona ny fototy nytrano-maizina. Ireo gadra tao dia nanana fotoana nafahana nitsoaka mora-foana - izay fanamelohana ho faty ny mpiambina no mety ho tambin’izany. Nefa noho ny finoany ny Filazantsara dia niorina mafy tokoa izy ireo, satria “ Tamin’izany alina izany dia natao batisa …. Avy hatrany (Asa 16:33). Nefa, izay no tena fialatsiny tsara indrindra raha hanemotra ny batisa. Na dia teo aza horohoron-tany tany Grêsy 3000 taona, ireo andian-gadra maro eo andalam-pandosirana ny trano-maizina izay tena ratsy indrindra teo amin’ny tantara, ny famonoana mitatao aminy noho ny fanadinoana ny andraikiny, dia hitany mazava tsara ny zavatra tena manan-danja teo amin’ny fiainany manontolo sy ny ataony ho amin’ny hoaviny mandrakizay – dia ny fanaovana batisa. Ireo izay misalasala ny ho atao batisa dia tokony handray ny ohatra omen’io lehilahy io ny zavatra izay fanehoana finoana porofo feno fa manana fahalalana antsipirihany ny Filazantsara izy, ary izany finoana mafy orina izay dia tsy avy raha tsy amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra (Romana10:17, jereo koa, Asa17: 11).
Ny asan’ny apostoly 8:26-40, dia mitantara ilay manamboninahitra etiôpiana iray izay nandinika ny Baiboly teo ambony kalesiny teo ampamakivakiana ny tany efitra. Nefa rehefa tafaraka taminy Filipo ilay mpianatra, dia nanaiky izy ny hanazavana aminy ny amin’ny antsipirihany ny Filazantsara, izay ao anatin’izany koa ny ilàna ny batisa. Raha atao tomba-maso dia toa sarotra tsy azo tanterahina ny hanaovana batisa any an-tany efitra karakaina.
Andriamanitra anefa tsy handidy ny hanaovana izany zavatra izany (batisa) raha toa fantany fa tsy azo tanterahina izany, raha ny tranga niseho tamin’ity etiôpiana ity no jerena “Ary raha nandeha teny an-dalana izy dia tonga teo amin’izay nisy rano” izany hoe dobo, ary teo no natao ny batisa (Asa 8: 36). Izany fahasahiranana izany dia mandiso ny soso-kevitra, izay tsy mari-pototra, fa ny batisa amin’ny alalan’ny fampiletehana anaty rano dia tsy tanterahina raha tsy amin’ny toerana misy rano lehibe sy mora hidirana. Andriamanitra dia manome antsika foana ny fomba mahomby hanatanterahana ireo didiny.
Ny Apostoly Paoly dia lanaka tokoa tamin’ny fisehoan’i Kristy nampivarahontsana azy, izany dia nanindrona mafy ny feon’ny fiheritreretany ka raha vao afaka izy dia “nitsangana avy hatrany… ary natao batisa” (Asa:9-18). Eto koa dia hita fa nisy koa fialan-tsiny mety ho nanemorana batisa. Mety ho nieritreritra ny sakana manadanja misy azy teo amin’ny fiaraha-monina izy sy ny asa ambony voasoritra ho azy teo anivon’ny Jodaisma. Na izany aza anefa, ity kintana mamiratry ny tontolo Jiosy ity dia nandray avy hatrany ny fanapahan-kevitra ny ho atao batisa, sy handao ampahibemaso ny fomba fiainany teo aloha. Taty aoriana izy dia nisaintsaina ny fanapahan-keviny nanaovana batisa azy. “Nefa izay azoko ho tombony dia naleoko ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy… izay namelako ny fatiantoka sy ny zavatra rehetra (izany hoe ireo zavatra tamin’ny fiainana teo aloha, ka ataoko tombotsoako ireny mba hahazaoko an’i Kristy… Manadino izay zavatra aoriana (izany hoe ireo zavatra tamin’ny fiainany teo aloha ary miezaka hanahaka izay zavatra eo aloha, eny miezaka hanahaka ny marina aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy ( Filipiana 3:7-8, 13-14).
Izany no fomba fitenin’ny mpihazakazaka izay manao ezaka goavana mba hahatongavana voalohany. Herin-tsaina sy herim-batana mankadiry no tokony hangonintsika hanamarika ny fiainantsika aorian’ny batisa. Tokony ho fatantsika fa ny batisa dia fanombohana fotsiny ihany ny hazakazaka mankany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, famantarana fotsiny ihany ny fiovantsika fiangonana na finoana; Tsy fidirana fotsiny intsony ao amin’ny fiainana iombonan-kevitra mora fotsiny ihany amina foto-kevitra kristianina manjavozavo. Ny batisa dia mampifamatotra antsika amin’ny namantsika sy ny fitsanganan’i Jesosy (Romana 6:3-5) - seho roa mifampitohy feno fahavitrihana.
Paoly, antitra sy reraka nefa nirehareha ara-panahy, dia afaka nilaza hoe “Tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho” (Asa 26:19), sahala an’i Paoly, ny fanekentsika ny tena batisa dia fanapahan-kevitra tsy hanenenantsika na oviana na oviana. Mandritra ny androm-piainantsika dia ho fatantsika fa nanao ny safidy tsara isika. Vitsy ihany ny fanapaha-kevitra izay azontsika antoka marina, ka tokony hodinihantsika lalina ity : “Nahoana no tsy ho atao batisa aho?”
10.2 AHOANA NY FANAOVANA BATISA ?
Amin’ny ankapobeny dia mieritreritra isika, indrindra momba ireo zazakely, fa ny batisa dia atao amin’ny alalan’ny famafazana rano vitsivitsy eo amin’ny handrina. Izany anefa no tena manalavitra tokoa ny zava-takian’ny batisa ara-Baiboly.
Ny teny grika “baptiso” izay adika hoe “manao batisa” (baptiser) dia tsy midika hoe mamafy; fa kosa midika hoe manasa manontolo ao anaty tsiranoka (rano) (jereo ny fandikanten’i Robert Young sy James Strong). Io teny io dia hilazana ireo sambo rendrika izay “difotra” (baptisés) ao anaty rano. Io teny io koa dia entina nilazana ny fitafiana izay nolokoina, izany hoe atsoboka ao anaty loko ary mba ahafahana manova ny lokon’ilay fitafiana dia tsy maintsy nalona tanteraka tao anaty tsiranoka izy, fa tsy hoe afafifafy fotsiny ny loko. Ireto andininy manaraka ireto dia manaporofo fa ny fomba mety hanaovana ny batisa dia ny fanasitrihana anaty rano.
1- Jaona Mpanao Batisa ihany koa dia nanao batisa tao Ainona akaikin’i Saleima satria nisy loha-rano maro tao. Ary nankany ny olona ka nataony batisa. Izany dia maneho fa nila rano betsaka mba hanaovana batisa, raha toa ka rano mitsininika kelikely ihany no nilaina ho an’ny tsirairay, dia rano iray siny ihany dia ho ampy hanaovana batisa olona an-jatony. Ary izy ireo no nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa teo amoron’i Jordana, fa tsy izy no nakany amin’izy ireo nitondra rano tamin’ny tavoangy.
2- Jesosy ihany koa dia nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa teo amin’ny reniranon’i Jordana : “Ary raha vao natao batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano tamin’izay Izy” (Matio. 3:13). Ny batisany eto dia mazava fa tamin’ny alalan’ny fampidirana tao anaty rano. Antony iray nanaovana batisa an’i Jesosy izay mba ho ohatra mba tsy ahafahan’iza na iza hilaza tena mpianany raha tsy misy (vita) batemy tao anaty rano.
3- Toy izany koa, Filipo sy ilay manamboninahitra etiôpiana dia nidina ho eo amin’ny rano, dia natao batisa izy, ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roalahy” (Asa 8:38-39). Tsaroantsika fa ilay manamboninahitra dia nangataka ny ho atao batisa raha vao nahatsinjo ny rano “Indro rano ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” (Asa 8:36). Nefa io lehilahy io dia hinoana marina fa nanana rano tany aminy, ary afaka natao batisa mialoha raha toa ka fafy rano ihany dia ampy.
4- Araka ny Kolosiana 2:12, ny batisa dia fandevenana izay mitaky firakofana tanteraka.
5- Ny batisa dia antsoina hoe “Fanasana” ny otantsika (Asa 22:6). Ny fotoanan’ny fiovam-po marina dia ampitahaina amin’ny “fanasana” ao amin’ny Apokalypsy 1:5; Titosy 3:5, II Petera 2:22; Hebreo 10:22, sy ny sisa… Ny hevitry ny fanasana dia mirona tokoa any aminy batisa amin’ny fidirana anaty rano noho nyamin’ny fafy rano.
Ao amin’ny Testamenta Taloha dia manondro matetika fa ny fanantonana an’Andriamanitra azo ekena dia hialohavana fisasana toy izany.
Ireo mpisorona dia tsy maintsy mandro tanteraka alohan’ny hanantonan’izy ireo akaiky Andriamanitra mandritra ny fisoronana (Levitikosy 8:6 ; Eksodosy 40: 32). Ireo Israëlita dia tsy maintsy misasa mba handravana ireo loto samy hafa (Detornomia 23:11), izay maneho ny fahotana.
Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Namana, izy dia lehilahy Jentilisa mararin’ny habokana, ary nitady ny hositranin’ny Andriamanitry ny Israely. Tahaka izany, izy dia mampiseho ny endriky ny olona voakapoky ny fahotana, miaina ao anaty fahafatesana miadana noho ny fahotana. Ny fanafana natoro azy dia ny hilomany ao anatin’ny reniranon’i Jordana. Teo ampihadoana, dia tsy nety nanaiky fomba tena tsotra toy izany izy, nieritreritra tsy nisy fisalasalana, fa Andriamanitra dia hitady amin’ny zavatra sarotra noho izay hataony, na fara-faharatsiny, hampiasa ony lehibe sy tsara toerana tahaka an’i Abana. Toy izany koa, hitantsika fa toa sarotra hinoana fa fihetsika tsotra toy ny batisa no hitondra antsika any amin’ny famonjena. Mahaliana kokoa ny mieritreritra fa asantsika sy ny firaisantsika amin’ny fiangonana fanta-daza (Jereo: ony Abana) dia mety havitana metimety kokoa hahavonjy nohon’ny finoana amin’ny fanantenana marin’ny Israëly. Rehefa avy nilona tao Jordana izy, ny nofon’i Namana dia “tonga toy ny nofon’ny zazakely indray, ka nadio izy”(2 Mpanjaka 5:9-14).
Tokony ho resy lahatra isika izany fa ny “batisa” dia midika fampidinana tanteraka ao anaty rano aorian’ny fahazoantsika ny hafatra fototry ny Filazantsara. Ny famaritana ny batisa, izay mifototra amin’ny fampianaran’ny Baiboly, dia tsy manoritra velively ny sokajy misy ilay olona manampy ara-batana amin’ny fanaovana batisa. Ny batisa izay avy amin’ny fidinanana ao anaty rano izay vokatry ny finoantsika ny Filazantsara, dia azo atao na tsy misy fanampian’ny olona hafa aza. Nefa ny batisa dia tsy manan-kery raha tsy eo aloha ny fahalalana ny fampianarana marina. Noho izany dia tsara ny fampian’ny mpino iray, mitovy foto-mpampianarana aminao, izay afaka mitsara ny ahavom-pahalalan’ny olona manolon-tena mialoha ny fampidirana anaty rano.
Misy fomba iray ao amin’ireo Christadelphes, izay hanaovana adi-hevitra lalina amin’ilay manolon-tena hatao batisa alohan’ny hirosoana amin’ny fidirana anaty rano, misy fanontaniana maromaro, izay azontsika jerena ao amin’ny faran’ny fampianaranatsirairay avy. Ireo Christadelphes dia nandeha an’arivony Kilometatra mba ahafahany manatrika sy manampy olona iray amin’ny fanaovana batisa, olona maniry hiray amin’ny fanantenana marina sy fiainana mandrakizay tena mahafinaritra.Tsy dia misy lanjany loatra ny fahamaroana (quantité) fa ny fahatsarana (quantité).
10.3 NY DIKAN’NY BATISA
Isan’ny antony iray hanaovana ny batisa amin’ny alalan’ny fampidirana ao anaty rano dia satria izy maneho ny fandevenana - fiombonantsika amin’ny fahafatesan’I Kristy mahakasika ny fiainantsika feno ota sy tsy fahalalana teo aloha. Fa rehefa mivoaka avy amin’ny rano isika dia miray aminy ao amin’ny fitsanganany tamin’nymaty, izay manome antsika ny fanantenana amin’ny fiainana mandrakizay nefa mialoha izany dia fitsanganana amin’ny fiainam-baovao, mandresy ara-panahy ny fahotana amin’ny alalan’ny fandresen’i Kristy izy notanterahiny teo amin’ny fiainany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany.
“Na iza na iza isika no efa natao batisa ho an’i Jesosy-Kristy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ? Koa niara-nilevina tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany (Romana 6:3-5).
Fantatsika izany fa tsy tanteraka ny famonjena afa-tsy amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy, tsy azo ialana noho izany ny fiombonantsika aminy amin’ireo zavatra ireo raha te ho voavonjy isika. Ny fomba tokana ahatanteraka izany dia ny fanehoana fahafatesana sy fitsanganana vaovao ao amin’i Kristy amin’alalan’ny batisa. Ny fafy rano dia tsy afaka ho tandindon’izany. Ao amin’ny Batisa “Ny toe-tsika teo aloha dia niaraka nombohana taminy teo amin’ny hazo fijaliana (Romana 6: 6); “Andriamanitra nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy” tamin’ny fanaovana batisa. Indrisy anefa fa na taorian’ny batisa aza dia mbola manana ny toetra maha-olombelona antsika isika, vokatr’izany ny miaina araka ny nofo dia mbola mahasarika antsika hatrany. Ny “fanombohana” ny nofontsika arak’izany dia ady mitohy mandeha eo amin’ny batisa, izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ireo mpino ny handraisan’izy ireo isan’andro ny hazo fijaliana, sy ny hanarahan’izy ireo Azy, izany hoe ny lalan’i Kalvaria (Lioka 9:23; 14:27). Nefa na tsy mora aza io lalan’ny hazo fijalian’i Kristy io dia misy foana fampaherezana sy hafaliana ny amin’ny firaisana aminy koa amin’ny fitsanganany.
Kristy dia mitondra ho antsika “ny fiadanana amin’ny alalan’ilay Rà teo amin’ny hazo fijaliany” (Kolosiana 1:20). “Ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7). Momba izany, Jesosy dia nilaza hoe ” Fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no homeko anareo, tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomezako anareo” (Jaona 14:27). Io fiadanana sy io fifaliana ara-panahy io dia mahahonitra be lavitra ireo fahasahiranana sy alahelo nohon’ny fiombonantsika antsitram-po amin’i Kristy voahombo. “ Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay, dia toy izany koa no haben’ny fampiononana anay amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 1:5)
Isika koa dia manana ilay fahafahana avy amin’ny fahalalana fa ny “izaho voajanahary” dia efa maty ankehitriny, ary Jesosy no velona sy miasa ao anatintsika, manampy antsika amin’ireo fisedrana antsika. Paoly Apostoly dia afaka nahatsapa izany avy amin’ny traik’efa teo amin’ny fiainany feno : ”voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko”. Fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra (Galatiana 2:20)
“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa… amin’ny nitsanganan’i Jesosy-Kristy tamin’ny maty” ( I Petera 3:21) satria ny fiombonantsika amin’ny fitsanganan’i Kristy amin’ny fiainana mandrakizay dia manome antsika ny lalana ihany koa. Noho izany amin’ny fanraisana anjara amin’io fitsanganana io no hahavonjy antsika. Jesosy dia manambara izany amin’ny fomba tsotra : “Satria velona aho dia ho velona koa ianareo” (Jaona 14:19). Paoly koa dia manambara hoe: “Nampihavana tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany… hamonjena antsika amin’ny fahavelomany” izany hoe amin’alalan’ny fitsanganany (Romana 5:10).
Ireto andiany manaraka ireto dia manindry manokana ny fiombonana amin’ny fahafatesana sy fijalian’i Kristy amin’alalan’ny batisa, ary avy amin’ny toe-piainantsika aorian’izany izay azo antoka fa handraisantsika anjara amin’ny fitsanganany be voninahitra.
a) - “Fa raha miara-maty aminy isika (amin’i Kristy) dia hiara-belona aminy koa (II Timoty 2:11-12).
b) - “Mitondra ny fahafatesan’i Jesosy Tompo mandrakariva izahay, mba aseho eo amin’ny fiainanay koa ny fiainan’i Jesosy… Fa fantatray fa izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesosy” (II Korintiana 4: 10-11,14).
c) - Paoly dia nandray anjara tamin’ny fiombonana amin’ny hazo fijaliana ka ampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany (noho ireo fisedrana mafy) ary mba hahatratrany ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay, toa an’i Kristy (Filipiana 3:10-11; jereo Galatiana 6:14)
10.4 NY BATISA SY NY FAMONJENA
Ny batisa, dia izay mampiombona antsika amin’ny fahafatesan’i Kristy, ny fomba tokana ahazoana ny famelan-keloka. “Fa niara-nalevina (tamin’i Kristy) isika tamin’ny batisa, izay nahafahanareo niara-tsangana taminy koa… nohon’ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty. Ary hianareo izay efa maty noho ny fahotanareo… dia novelominy niaraka tamin’i Kristy rehefa navelany ny fahotanareo rehetra” (Kolosiana 2:12-13). Isika dia “voasasa… tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo” (I korintiana 6:11) izany hoe, ny batisa amin’ny anaran’i Jesosy no fomba nanasana ny otantsika. Izany dia efa naseho antsika ao amin’ny Nomery 19:13, ireo rehetra tsy nofafazana ny rano fanadiovana dia natao maty. Naseho antsika tao amin’ny fizarana 10.2 fa ny batisa dia fanasana ny otantsika ( Jereo Asa 22:16). Ny famaritana ireo mpino voadio tamin’ny otany tamin’ny ran’i Kristy izany dia hilazana ny batisan’izy ireo, izay tamin’izany no nanaovana azy ( Apokalypsy 1:5, 7:14, ary ny Titosy 3:5) araka ny N.I.V dia manambara izany “ho fanasana ho amin’ny fahaterahana indray“, milaza ny fahaterahantsika avy amin’ny rano teo ampanaovana batisa (Jaona 3:15).
Raha raisina izay rehetra izay dia afaka mahita isika hoe nahoana i Petera no namaly toy izao manaraka izao tamin’ilay fanontaniana manao hoe : “Inona no ataonay?” (mba ho voavonjy) : “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo mba hahazo famelana ny helokareo” (Asa2: 37-38). Ny batisa amin’ny anaran’i Kristy dia ho an’ny famelana ireo fahotana, raha tsy misy ny batisa , tsy hisy koa ny famelana ny ota, no izany, ireo tsy vita batisa dia handray ny tambin’ny ota, izany hoe, ny fahafatesana (Romana 6:23). Tsy misy famonjena afa-tsy amin’ny anaran’i Kristy (Asa 4:12), ary tsy afaka miray amin’io anarana io isika raha tsy vita batisa. Izany dia milaza fa ireo antokom-pinoana tsy Kristianina dia tsy afaka mitondra ho any amin’ny famonjena. Ary ny tena mpino marina ny Baiboly dia tsy afaka ny hanaiky fa afaka manao izany izy ireo; ny antokom-pinoana Katôlika sy ireo antokom-pinoana lehibe eokiominika dia manaiky fa afaka manao izany izy ireo, nefa dia fomba fijery diso ny fandikan’izy ireo ny Soratra Masina.
Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ho any amin’ny fiainana mandrakizay dia fandreseny manokana ny fahotana. Amin’ny alalan’ny batisa, dia miombona amin’izany fandreseny izany isika ary dia heverina ho toy ny niara-natsanganana tamin’i Kristy, tsy manana fahefana amintsika intsony ny fahotana, toy izay tsy ananany izany amin’I Kristy. Amin’ny alalan’ny batisa, dia nanjary ”afaka amin’nyfonjan’ny ota … tsy manana fahefana aminareo ny ota” (aorian’ny batisa) (Romana 6:18-14). Ny mampalahelo anefa dia mbola manohy manota isika na dia aorian’ny batisa aza. (I Jaona 8-9); ny fahotana dia mbola afaka mamerina antsika ho ao amin’ny fanandevozana indray raha miala amin’i Kristy isika, na dia manoro antsika aza ny batisa fa isika dia miombona amin’ny fitsanganan’i Kristy, izay hananantsika fanantenana hifampizarana amin’ny fiverenany.
Nohafahana vonjimaika tamin’ny fahotana fotsiny ihany isika. “Izay mino sy atao batisa no ho vonjena” (Marka 16:16) amin’ny fiverenan’i Kristy faharoa. Ny famonjena farany dia tsy hoe hitranga eo amin’ny fahafenoan’ny batisa, fa kosa eo amin’ny fitsarana farany ( I koritiana 3:15). Raha tsy izany, dia tsy nisy nilana ny fitsarana raha toa ka teo amin’ny batisa dia tonga ny famonjena. Tsy ho faty koa isika. “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena” (Matio 10:22).
Na dia tao aorinan’ny batisany aza, Paoly (toy ny Kristianina rehetra) dia niady ho amin’ny famonjena azy (Filipiana 3:10-13, I korintiana 9:27); nilaza ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izy ( Titosy 1: 2,3; I Tesaloniana 5:8, Romana 8:24), “Araka ny maha-mpandova ny famonjena antsika” (Hebreo1:24). Fa amin’ny fitsarana, ny olo-marina dia miditra ao amin’ny fiainana mandrakizay (Matio 25:46). Ny famoaboasan-kevitra mahatalanjon’i Paoly dia hita ao amin’ny Romana 13-11 – izy dia nanisa fa ao aorinan’ny batisa, ny isan’andro hiainantsika dia andro iray mihamanakaiky ny fihavian’i Kristy, ka afaka mifaly eo am-pahafantarana fa “isika fa efa akaiky ny famonjena kokoa noho ny tamintsika vao nino”. Ny famonjena izany dia tsy mbola hananantsika ankehitriny, fa kosa ho voavonjy isika raha toa ka miorina mafy amin’ny finoana marina (Hebreo 3:12-14), raha tsahivintsika ireo fampianarana fototra ao amin’ny Filazantsara (I Timoty 4:16, I Korintiana 15:1-2), ary raha toa manao ireo zavatra mifanaraka amin’ilay fanantenana lehibe (Petera 1:10).
Ny teny Grika midika hoe ”voavonjy” dia ampiasaina matetika amin’ny filazam-potoana mitohy, mampiseho fa ny famonjena dia zavatra tokony ho tazonina amin’ny alalan’ny fanekena ny Filazantsara (I korintiana 1:18, R.S.V, misy ohatra maro hafa mikasika io fitohizan’io famonjena io hita ao Asa2: 24, II Korintiana 2:15). Io teny grika adika hoe “voavonjy” io dia tsy ampiasaina amin’ny filazam-potoana lasa afa-tsy amin’ny filazana ny famonjena lehibe nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, izay azontsika ampiraisana amin’ny batisa (II Timoty 1:9, Titosy 3:5).
Izany rehetra izany dia aseho’Andriamanitra amin’ireo fifanekeny teo amin’ny Israely ara-nofo, izay raisina fototra amin’ny fifandraisany amin’ny Israely ara-panahy, izany hoe amin’ireo mpino. Israely dia nandao an’i Egypta izay mampiseho ny tontolo ara-nofo sy ny fivavahan-diso izay nataontsika nialoohan’ny batisantsika. Namaky ny Ranomasina Mena izy ireo, ary dia namaky ny tany efatry Sinay avy eo mba hidiran’izy ireo tao amin’ny tany nampanantenaina, izay nitoeran’izy ireo ho toy ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny famakiana ny Ranomasina Mena dia maneho ny batisantsika (I Korintiana 10:1-2); ny dian’izy ireo tany an-tany efitra , ny fiainantsika ankehitriny ary ny tany nampanantenaina (Kanana), no Fanjakan’Andriamanitra. Joda ao amin’ny andininy faha 5, dia manambara amintsika ny nanjo ireo tsy nino nandritra ny dia tany an’efitra “Fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany taorian’izany ireo izay tsy nino”. Ny olon’Israely izany dia “voavonjy” tamin’ny Egyptiana, toy ireo izay vita batisa izay “voavonjy” tamin’ny fahotana. Raha toa ka nanontaniana ireo Israelita, taorian’ny nivoahan’ireo dia tsy hisalasalana fa ho nanamafy izany, izany anefa tsy midika avy hatrany fa ho toy izany (ho voavonjy) izy ireo any ampiafarana.
Nefa toy ny Israelita, amin’ny ankapobeny, izay niverina nisaintsaina ny tany Egypta (Asa 7:39) sy niverina tamin’ny fahafinaretan’ny nofo sy ny fampianaran-diso, toy izany koa ireo izay efa “voavonjy” tamin’ny ota tamin’ny alalan’ny batisa, mbola mety hamoy ny toerana feno fahasambarana izay nisy azy ireo izy ireo. Ny mety hanana fihetsika toy izay nataon’ny Israely ara-nofo dia voatsipika mazava ao aminy I korintiana 10:1-12; Hebreo 4:1-2 sy Romana 11:17-21 . Maro ireo ohatra omena antsika ao amin’ny Soratra Masina izay mampiseho ireo izay miverina indray tamin’ny toerana hanamelohan’i Kristy azy noho fiverenan-dalana rehefa mba voavonjy tamin’ny ota tamin’ny alalan’ny batisa, (Ohatra ao amin’ny Hebreo 3:12-14, 6:4-6, 10:20-29). Ny fampianaran’ireo mpitory “ara-pilazantsra” diso mafana fo ka manambara fa “rehefa voavonjy indray mandeha dia ho voavonjy mandrakizay” dia aseho eto fa : fiheveran-diso entina hamalifaly ara-nofo fotsiny ihany.
Toy ny zavatra rehetra ihany, dia tokony handanjalanja rehefa hitady ny fahatsapana hoe hatraiza no “maha-voavony” antsika amin’ny alalan’ny batisa. Ny fanaovana batisa dia tsy tokony ho raisina ho vintana ahazoana ny famonjena – fomba tsaratsara kokoa nohon’ny fomba hafa. Amin’ny fiombonantsika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny batisa dia voavonjy isika fa an-kamehana ihany, manana ny fanantenana azo antoka ho ao amin’ny Fanajakan’Andriamanita isika raha mitoetra “ao amin’i Kristy” amin’ny fotoana rehetra aorian’ny batisantsika, tsy afaka hitoky tena isika fa ho ao amin’ny fa ho voavonjy any am-parany any satria tsy fantantsika akory raha toa ka rahampitso ihany dia ho lavo isika; tsy fantatsika ny hoavintsika ara-panahy eto amin’ity fiainana ity.
Tokony hanao izay rehetra, azontsika atao isika mba hitazonana ny toe-tsaina tsara eo an’Andriamanitra teo amin’ny nanaovana batisa antsika. Ny batisa dia “Antoky ny fiheritreretana tsara” (I Petera 3: 21 amin’ny teny grika); ny mpanolon-tena ho amin’ny batisa dia (mampanantena) ny hitana io fieritreretana tsara io eo amin’Andriamanitra.
Na dia tena ilaina aza ny batisa mba hidirana ao amin’ny famonjena lehibe ao amin’i Jesosy-Kristy, dia tsy tokony hieritreritra isika fa ny fanaovana batisa fotsiny ihany dia ampy mba havoavonjy. Nasehontsika fa tena ilaina koa ny manohy ny fiombonantsika amin’ny fanombohana an’i Kristy : “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny fanahy, dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5). Rehefa ampitahaina amin’ny hafatra amin’ny 1 Petera 1:23, io hafatra io dia tsapantsika fa ny fahaterahan’ny Fanahy Masina sy manaraka ny batisa dia tokony hifanaraka amin’ny fahaterahantsika tsikelikely ao amin’ny Teny, ny Fanahy Masina. Ny famonjena dia tsy avy amin’ny batisa ireny ihany fa kosa avy amin’ny fahasoavana (Efesiana 2:8), amin’ny finoana ( Romana 1:5) ary amin’ny fanantenana (Romana 8:24), etsy an-danin’izany. Misy ireo manamafy fa ny famonjena dia avy amin’ny finoana irery ihany, ka noho izany dia tsy misy hidiran’ny (asa) toy ny batisa ohatra dia tsy misy hidiran’izany resaka famonjena izany. Ao amin’ny Jakoba 2:17-24 anefa dia manazava amintsika tsara fa ny fiheverana toy izany dia mandiso ny fihavahan’ny finoana amin’ny asa. Ny finoana marina, toy ny finoana ny Filazantsara ohatra, dia aseho fa marina amin’ny alalan’ny asa izay aterany, toy ny batisa ohatra. “Hamarinina amin’ny asany ny olona fa tsy amin’ny finoana ihany” (Jakoba 2:24). Ao amin’ireo batisa maro notanisaina, ny mpino dia mpangataka foana izay tokony ho nataony mba ho voavonjy, ny valin-teny dia manondro foana ny batisa (Asa 2:37, 9:6, 20:6;16:30). “Manatanteraka ny asan’ny batisa” izany dia mariky (ilaina) ny finoantsika ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena. Ny asa famonjena fara-tampony dia notanterahin’Andriamanitra sy Kristy, fa isika dia mila manao asam-pibebahana sy finoana ny asan’Andriamanitra sy Jesosy-Kristy (Asa:6 :20; jereo Marka16:15-16)
Nohazavaintsika teo aloha fa ny filazana ny fanasana ireo ota dia mifanaraka amin’ny famelan’Andriamanitra ny helontsika avy amin’ny batisa ao amin’i Kristy. Amin’ny andian-teny sasany dia milaza amintsika sy fanasana ny otantsika amin’alalan’ny finoana sy ny fibebahana (Asa2: 16; Apokalypsy7:14, Jeremia 4:14, Isaia 1: 16). Amin’ny sasany kosa dia Andriamanitra no voalaza fa manasa ny otantsika (Ezekela 16:19; Salamo 51:2-7; I Korintiana6:11), izany dia mampiseho amintsika raha toa isika ka manao ny anjara asantsika amin’ny fanaovana batisa. Andriamanitra dia hanasa ny fahotantsika.
“Ny asa” amin’ny batisa, dia dingana faran’izay manan-danja indrindra, raha toa ka te-hahazo ny fanomezam-pahasoavana maimaimpoana, izany hoe («tsy noho ny fahamendrehantsika”) avy amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra, izay omena antsika amin’ny alalan’ny Teniny.
Tsoa-kevitra 30 : Famerenana Atao Batisa
Misy ireo olona misalasala amin’ny famerena atao batisa indray rehefa vita batisa tamin’ny fafy rano fony fahazaza, na koa tamin’ny fampidirana anaty rano tany amin’ny fiangonana hafa. Nefa, mialoha ny batisa, dia tokony nisy fibebahana sy finoana ny Filazantsara marina (Asa 2:38, Marka 16:15-16). Tsy manan-kery ny batisa raha toa ka tsy feno ireo fepetra ireo mialoha ny fampidirana ao anaty rano. Matio 28:19-20) dia mampiaraka ny batisa amin’ireo fampianarana nohazavain’i Kristy ka tokony ho azontsika aloha. Ny zaza iray dia tsy mahavita (tsy mahay) ny hibebaka sy ny hahazo tsara ny Filazantsara, na izany na tsy izany , ny fafy rano dia tsy batisa. Ny olona iray mitsoraka [midina] ao anaty rano dia tsy vita batisa ihany koa , satria ny fidirana ao anaty rano dia tsy famaliana ny amin’ny fahalalana ny Filazantsaran’ny marina. Toy izany koa ireo nampidirina tamin’ny rano, nefa manaraka fampianaran-diso diso, dia tsy vita batisa ihany koa.
Tsy misy afa-tsy “finoana iray” izany hoe, fitambarana fampianarana tokana izay manome ny Filazantsara marina; koa arak’izany dia tsy misy afa-tsy “batisa tokana” izay avy amin’ny finoana ny “finoana tokana”. “Iray ny tena”, (izany hoe : iray ny fiangonana marina)… toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray. Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra (Efesiana 4: 4-6). Tsy misy fanantenana roa, toy izay milaza fa tsy misy dikany na eto an-tany na an-danitra ny ho valisoantsika – Tsy misy afa-tsy “Andriamanitra iray” noho izany, Jesosy dia tsy mety ho Andriamanitra ihany koa. Izany dia mitarika fa raha toa isika ka tsy nanana ny fampianarana fototra tamin’ny nanaovana fafy rano na fampidiran a anaty rano antsika, tsy nanana fahalalana fototra ny amin’ny fampianaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny toetran’Andriamanitra sy i Jesosy, sy ny sisa… dia tsy manankery ny batisa nataontsika.
Jaona Mpanao Batisa nampidina anaty rano ny olona rehefa avy nampibebaka sy nampianatra azy ireo ny momba an’i Jesosy (Marka 1:4, Lioka1: 77). Fa izany anefa dia tsy ampy satria ao amin’ny Asa 19:1-5) dia milaza amintsika fa nisy tamin’ireo nataon’i Jaona Batisa ao no niverenana natao batisa indray nohon’ny tsy fahampian’ny fahalalan’izy ireo ny fampianarana sasany, noho izany, toy ireo izy nataon’i Jaona batisa, isika dia feno fibebahana sy fahatsoram-po tokoa tamin’ny nanaovana antsika batisa voalohany. Na dia marina aza izany, ny filana ny handraisana ny “batisa (marina) tokana” dia mbola misy, ary io batisa marina io dia tsy atao raha tsy aorian’ny fahalalana ireo singa rehetran’ny “finoana tokana”.
Tsoa-kevitra 31: Ireo fotom-pampianarana ho Fantarina mialoha ny Batisa
Tsy isalasalana fa maro amintsika no miatrika ireo fiangonana Aram-pilazantsara izay manohana fa ny fotom-pampianarana dia tsy ilaina amin’ny famonjena, ary ny fanekena am-bava fotsiny hoe “izaho mino an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra” no fototra ilaina ho amin’ny famonjena; Ary ety ivelany, dia toa marina izany noho ny fomba entina mampiseho ny fiovam-po ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ary manampy izany, io fiheverana io dia mahasarika ny fihetseham-po avy amin’ny “fitiavana” sy “ fandeferana” (tolerance) izay manjaka amin’izao androntsika izao. Ndeha isika handalina ny maha zava-dehibe ny fampianarana ny amin’ny famonjena.
Nahoana no Antsipirihana Vitsivitsy Ihany
Ny famakiana an-kahamehana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia aha-tsapantsika fa maro ireo batisa natao taorian’ny fampianarana kely ihany ireo zavatra tena ilaina ny amin’ny Filazantsara, ary dia nialohavana fanekena fohy fotsiny ihany ny amin’ny finoana an’i Jesosy-Kristy ho toy ny Zanak’Andriamanitra. Nefa dia miharihary fa ny fananana ireo teny efatra ireo fotsiny “Izaho mino an’i Jesosy Kristy”, dia tsy afaka hitondra antsika ho amin’ny famonjena - ary ny ankamaroan’ireo mpitory ny “Filazantsara” dia manaky fa tokony hisy fahalalana vitsivitsy na fahatsapana fanampiny mba hampanan-kery ireo teny ireo. Ireto adi-hevitra manaraka ireto dia manazava hoe nahoana ny fanehoana ireo fiovam-po ireo no fohy dia fohy ihany.
1) - Ny tantaran’ny Asan’ny Apostoly - toy ireo boky hafa ao amin’ny Soratra Masina - dia tena ilaina tokoa. Izy io dia asa iray mahaliana ny mamaky azy amin’ny feo mafy ny sasantsasany amin’ireo lahateny izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly ka mahita fa fotoana fohy ihany no lany tamin’izany. Azo vinavinaina fa mety hibahana fotoana lava anefa ny famelabelarana izany lahateny izany, izay maro ireo antsipirihany tsy voarakitra. Indreto fotoana vitsivitsy izay voakajy:
Ny fiarovan-tenan’i Paoly tao Jerosalema dia tsy mandany efatra 4 minitra ny famakiana azy (Asa 22); ny teo anarehan’I Felix, 1 minitra, teo anatrehan’i Agippa; ny lahatenin’i Petera tamin’ny andro Pentekosta dia tsy mandany 4 minitra; ny lahateniny tao amin’i Kornelio sy ny tao an-tokatranony dia tsy maharitra 3 minitra; ny an’ny Tompo Jesosy (Jaona 6) rehefa avy namahana ny 5000 lahy , 6minitra , ny toriteniny teo an-tendrombohitra dia, 18minitra. Ny toritenin’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apositoly 3:12:26 dia 2 minitra eo ho eo ny famakiana azy amin’ny feo mafy, nefa raha ny tena marina dia, lavalava ihany ny fotoana ilaina raha hitantara ny raharaha teo amin’ireo “mpisorona, sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ireo sadoseo”, ary ho an’ireo olona izay nanana fotoana nahatongavana teo amin’ny sehatra. (Asa 4:1)
1) - Araka izany , ny tsy fanamarihana ireo antsipirihan’ny teo amin’ny ireo fiovana dia tsy midika fa tsy nisy ireo. Ny fanohanan-kevitra mifototra amin’io tsy filazana ny antsipirihany amin’ireo tranga ireo dia tena mampiahiahy.
2) - Ny fananana ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, toy ny “fanomezam-pahasoavana (fahagagana) ahafahana mahalala ny… famantarana ny fisainana (na eritreritra)”, dia nanome ireo mpitory voalohany ny fahaizana mamaky ny heritreritr’ireo izay nitorian’izy ireo, izay nitarika ny tsy nilana firy ny resaka lavareny amam-pampianarana tamin’izy ireo (ireo notoriana), mifanohira ny amin’ny androntsika ankehitriny.
3) - Azo inoana fa ireo batisa tamba-be tamin’ireo Jiosy tao Jerosalema, teo ampiandohan’ny Kristianisma, dia tranga manokana. Ny fomba fanaovana batisa toy izany, amin’ny olona maro be, dia toa tsy dia niverimberina loatra tamin’ny taonjato voalohany. Raha toa mantsy ny fiovam-po ka nanaraka io gadona io, dia ho lasa kristianina avokoa ny tao Jerosalema manontolo, tsy izay anefa no nitranga. Tsy azo hadinoina koa fa ireo mpitazana koa dia Jiosy, noho izany, dia efa nanana koa ny fahalalana ny Testamenta Taloha sy ireo lalan’Andriamanitra. Ny halalin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo, eny fa dia i Petera aza (ho an’ny Jiosy ihany koa) dia mampiseho fa ireo mpamaky azy ireo ia afaka ny hahazo ireo teny izay natao tao amin’ny Testamenta Taloha. Ka tsy mampino mihitsy ny filazan’i Paoly tamim-pahatsorana ny amin’ny Melkizedeka, izay nambarany tamin’izy ireo, Ny nampanahelo dia tsy afaka nampahalala izany bebe kokoa izy nohon’ny tsy fahamatoran’izy ireo ara-panahy (Hebreo: 5 :11-12). Izany dia midika fa efa manana haavom-pahalalana izy ireo tamin’ny fotoana niovany fo, satria i Paoly koa dia nanakiana azy ireo ho tsy nivoatra firy hatreo. Hita fa ireo taratasy ireo dia nalefa manokana ho an’ny fiangonana tany Jerosalema, izay nisy mpikambana mety ho efa vita batisa tamin’ny ireo andro voalohany nontantaraina ao amin’ny fiandohan’ny bokiny Asan’ny Apostoly.
4) - Manantena ny hamoaboasana lavidavitra kokoa isika etsy aoriana fa ny teny hoe: mitory ny anarian’i Kristy sy mino amin’ny anarany, toy izay ampiasaina azy ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia mitovy lenta amin’ny hoe mino ny antsim-pirihan’ny bokim-pampianarana.
5) - Hita ihany koa araka ny I Korintiana 1: 17, fa i Paoly ( ary angamba koa ireo apostoly hafa) dia mety ho miara-miasa tamina tarika tena mahombin’ireo mpanabe sy mpanao batisa zadraharaha mba tsy ilàny hitory maharitra loatra isaky ny toerana misy azy.
Ny Anaran’i Jesosy
Ny Anaran’Andriamanitra dia mampianatra betsaka antsika ny momba Azy sy ny momba ny lalany - ireo Anarana sy ireo fiantsoana an’Andriamanitra dia maneho ny Toetrany sy ny Fikasany. Ny Anaran’i Jesosy Kristy koa dia mitovy amin’izany, ankoatry ny maha fiantsoana fotsiny ihany. Izany dia mirakitra fotoam-pampianarana iray manontolo.
Ny finoana ao amin’io Anaran’i Jesosy io dia apetraka milahatra miaraka amin’ny batisa (Jaona 3:5, 18,23). Ao amin’ny Galatiana 3:26-27, ny finoana ao amin’ny Jesosy-Kristy sy ny batisa ao amin’ny Jesosy-Kristy dia zavatra roa mifamatotra tsy azo sarahana : “Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’Jesosy-Kristy, SATRIA fa na iza na iza ianareo no natao batisa ao amin’i Jesosy-Kristy, dia mitafy an’i Kristy”. Afaka mahita ohatra hafa mampifamatotra ny finoana sy ny batisa isika ao amin’ny bokin’ny Asa 19:4, 10:42,48, 2:37-38 ary Lioka 24:47. Apôlôsy dia “tsy nahalala” afa-tsy ny batisan’i Jaona mpanao batisa (Asa 18:25): izany dia maneho fa ny batisa dia mitarika fahalalana ireo fampianarana sasany.
Ao amin’ny bokin’ny Asa 8:5 dia voalaza fa “Filipo… dia nitory an’i Kristy. Ary izany, raha atao indray mijery, dia tsy milaza fa izy dia nangataka tamin’izy ireo ny hinoana fotsiny ihany an’i Jesosy-Kristy; fa izay tena milaza izany marina dia ambara ao amin’ny bokin’ny Asa 8:12: “Ary rehefa Nino an’i filipo nitory teny soa mahafaly sy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo dia natao batisa“. “Ireo zavatra ireo” dia mitana zavatra bebe kokoa mihoatra ny filazana fohy ny momba an’i Jesosy, ary ny andian-teny dia misarika ny fampianarana ny batisa ihany koa. Jaona 6:40 dia manazava amintsika fa ny sitrapon’Andriamanitra dia “ny ahazon’izay rehetra mijery (na mahazo) ny Zanaka, ka mino Azy no manana fiainana mandrakizay” ary ao amin’ny Jaona 7:17, Jesosy dia milaza: “fa raha misy olona te-hanao ny sitrapony (an’Andriamanitra), dia mila mahalala amin’ny fampianarana izy”. Noho izany, ny fahalalana ny fampianarana dia mitovy lenta amin’ny “mijery” (mahazo) ny Zanaka. Ny andian-tenin’i Kristy ao amin’ny Apokalypsy 3:8 “Ka nitandrina ny teniko ianao ary tsy nandà ny anarako”, dia mametraka milahahatra ny tenin’i Kristy sy ny Anarany. Ao amin’ny Matio 12:21, Kristy dia manonona ny Isaia 42:4 “Ary ny nosy hiandry ny lalàny (an’i Kristy)” izany hoe “Amin’ny Anarany, ny Jentilisa dia hanana fahatokisana”; Eto dia mbola hitantsika ny (fitambarana firaisanan’ny Anarana sy ny Filazantsara. “Ireo (mpitoriteny), raha toa ka apetrakao amin’n lalany izany, dia manao ny tsara ianao, satria io anarany no dia lalantsara”. 3 Jaona 6: 7. Ao amin’ny Marka 16: 15-16 Jesosy dia naniraka ny handehanana mandeha any amin’ny tany rehetra mba hitory ny Filazantsara. Araka izany, eto amin’ny ireto andiany roa ireto Anaran’i Kristy sy ny Filazantsara dia mbola mira-zotra hatrany.
“Finoana an’i Jesosy-Kristy” araka ny Baiboly, dia fanaovana batisa ihany koa: “Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy-Kristy, satria, na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia mitafy an’i Kristy”(Galatiana3:26-27) Ny finoana an’i Jesosy Kristy izany dia miseho amin’ny batisa. Arak’izany ny finoana an’i Jesosy Kristy dia fehim-potoana fanovozam-pahalàlana (fa tsy fanambarana am-bava fohy fotsiny ihany) arahana asam-panekena. Ao amin’ny Jaona 6:35, dia manamafy an’izany : ”Izay manantona ahy tsy mba ho noana, ary izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony”. Ny finoana an’i Jesosy Kristy izay dia ampiarahana amin’ny FANANTONANA Azy - mampiseho fa ny finoana dia dingana.
Ny mitory an’i “Kristy” izany dia ny fahazoana fifampitohizam-pampianarana maromaro. Arak’izany, ao amin’ny Lioka 9:11, Kristy dia voalaza fa nitony ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Jereo. Matio 3:26 27); ary ny fitantarana mifandraika amin’izany ao amin’ny Marka 6:34 dia milaza fa i Jesosy dia nampianatra azy ireo “zavatra maro”. Ny Filazantsara dia misy “zavatra maro”- fa tsy fanambarana fohy fotsiny ihany. Afaka ahitana ny fanokanan’ny fitorianaa sy fampianarana izany koa amin’ny andininy toy ity ”Ary rehefa nitory ny Filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro” (Asa 14:12), Ny fampitahana toy izany dia tsy ho nilaina raha toa ka tsy misy afa-tsy teny vitsivitsy ihany. Ireo fampianaran’i Paoly tany Beria dia nitarika ireo olona hikaroka ny Soratra Masina isan’andro mba hanamarinana izay nampianaran’i Paoly (Asa 17:11) ary ireo olona tao Beria dia afaka nanamarina tamin’ny alalan’ny fikarohana ny Soratra Masina, ary izany dia mampiseho fa ny fampianarana ny Filazantsara nataon’i Paoly dia mifototra manontolo amin’ny Testamenta Taloha, ary tamin’ny fandinihana ny Baiboly ny amin’izay nolazainy no nahatonga ireo olona hino – “koa maro tamin’izy ireo no nino” (Asa 17:12) “Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 5:1) izany dia mifanaraka mazava tsara amin’ireo andininy toy ireto manaraka ireto : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny Teny fahamarinana” (Jakoba 1:18) “Efa nateraka indray… tamin’ny Tenin’Andriamanitra… ny Tenin’ny Filazantsara izay notoriana taminareo” (1 Petera 1:23,25). Izany dia mampiseho fa ny finoana an’i Kristy ho Zanak’Andriamanitra dia sahala amin’ny hoe mahalala na mahazo ny Filazantsara voaraikitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Ilay Mpanjakan’ny Fanjakana
“Ny finoana an’i Jesosy-Kristy” dia tonga manan-danja rehefa fantatsika fa ny anaram-boninahitra hoe “Kristy” dia azo raisina ho mitovy amin’ny Fanjakan’i Kristy ao amin’ny andininy sasantsasany. Izany no nolazain’ny Tompo tamin’ireo Fariseo ny tsy hitadiavan’izy ireo lavitra ny ahitana ny fiavian’ny Messia satria efa eo anivon’izy ireo Izy : “… Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo” (Lioka 17:21). Ny fampianaran’i Jaona Mpanao Batisa izay milaza fa efa ataony ny Fanjakan’Andriamanitra dia milaza ny fanambarana ny fisehoan’i Kristy. Ilay vato nanamboarana ny sarivongan’i Nebokadnezara dia mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra (Daniela 2:44); Ilay vato na ny Fanjakan’Andriamanitra no hanamontsana sy handrava ny fanjakana rehetra, mampiseho fa ilay vato no Fanjakana amin’ny fotoana hikapohany an’ilay sarivongana. Ao amin’ny fanoharana ny amin’ny voaloboka ao amin’ny Ezekela, izay ho tapahina nefa hambolena indray ka ho tonga hazo lehibe (Ezekela 17:22-23). “Ary ireo vorona samy hafa rehetra eo aminy izany dia maneho an’i Kristy ilay hazo milenodenoka ao amin’ny Isaia 53:2; nefa misy ihany koa tsy hisalasalana fa mifandray amin’ilay fanoharana nataony momba ny voatsinampy, izay nampitahany ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny voa madinika nafafy ka tonga hazo lehibe izay nialokalofany ny vorona isan-karazany teo ambaniny. Io fifandraisan’ny Tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra io sy i Kristy manokana no mampiseho fa Jesosy dia maneho ny tenany ho ilay Teny velon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia mazava fa zavatra iray ny “Finoana an’i Jesosy Kristy” sy ny finoana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Inona no raiketin’ny Filazantsara
Tonga eo amin’ny antsipirihan’ny adi-hevitra sy amin’izay noheverina ho fampianarana tena ilaina ho an’ireo mpino tamin’ny toan-jato voalohany isika. Tokony ho fantantsika fa tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao dia nisy amboaram-pampianarana, izany amboara izany dia mitovy amin’ny “fanekem-pinoanantsika”. Zavatra iray tena manan-danja koa izany ary tokony am-pahatsahivina fa tamin’izany andro izany dia nisy ireo rahalahy izay nanana ny fanomezam-pohasoavan’ny faminaniana. “Izay nanambara ireo fahotana mivantana avy amin’ny Andriamanitra tamin’ny alalany aingam-panahy. Azo hinoana fa ny sasantsasany tamin’ireny fanambarana ireny dia nanampiana io amboaram-pampianarana io.
Ilay amboaram-pampianarana
Paoly dia afaka nanambara fa ireo tao amin’ny fiangonan’i Rôma fara-faharatsiny nialoha ny batisan’izy ireo, dia nanana “fa ny fonareo dia nanaraka nyfomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo” (Romana 6:17) Ny teny grika , adika eto hoe: “fomba” dia adika koa hoe “ohatra” sy “modely” – io teny io dia tahaka ny manondro amin’ny amboaram-pampianarana izay nadika tany ho any. Io fanambaran’i Paoly ny amboara io dia manondro ny maha-zavadehibe ny fanana fampianarana voafaritra izay tokony ho fantatra mailoha ny fanaovana batisa. Ny sasantsany tamin’ireo dia nanana “endrika ny toem-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny (I Timoty 3:5) izany dia toa milaza fa angamba ireo efa nahahala ny fotom-pampianarana fototra ny finoana, fa tsy nanaiky ny tena herin’ny Fahamarinana tamin’ny fiainany andavanandro. Ao amin’ny Galatiana i Paoly dia mampahalala fa “Teo imasonareo indrindra no nanehoana manamarina an’i Jesosy-Kristy vaohombo tamin’ny hazo fijaliana” (Galatiana 3:1) ny teny grika hoe: “nanehoana” dia maneho araka ny teny “voarakitra” antsoratra, toy ny hoe ny fampianarana fototra nomena azy ireo dia nomena avy amin’alalany boky voasora-tanana.
Paoly raha niresaka ny amin’ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty, hoy izy tamin’izy ireo: “Fa natolotro anareo…ho isan’ny zavatra voalohany lay noraisiko, dia izao: Kristy maty… ”(I korintiana 15:3) mampiseho fa izy dia nandray fanambarana momba ireo zavatra ireo, ary natolony azy ireo ho fotom-pampianarana fottra ho ekena. Izay voalaza koa araka ny fanambaran’i Petera ao amin’ny 2 Petera 2:21-22: “Fa tsara amin’ny raha tsy nahalala ny lalàn’ny fahamarinana… toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy. Nefa… ny kisoa izay efa voadio (tamin’ny batisa), (niverina indray) hilona ao amin’ny fotaka.” Hita fa ny “lalàna” sy ny “didy masina” izay “natolotra” azy ireo dia miaraka amin’ny fanadiovan’ny batisa, izay zavatra tokony ho fantatra mialoha, naseho fa misy zavatra hafa mihoatra ny “didy” fotsiny ihany tokony ho fantatra mialoha ny batisa. Noho izany, ny didy amin’ny marik’isa tokana dia afaka milaza fa misy amboaram-pampianarana maro voafaritra tsara tokony ho hay mialohan’ny batisa. Maro ireo andianteny ao amin’ny Baiboly izay manambara amintsika “hanaiky” ny fampianarana ireo fotom-pampianarana sy ny Filazantsara (Galatiana 1:9,12;Filipiana 4:9; Kolosiana 2:6; I Tesaloniana 1:6, 2:13, 4:1). Izany dia manamafy indray fa ny Filazantsara dia amboaram-pampianarana maro voafaritra izay neken’ireo apostoly voalohany indrindra ary avy eo dia neken’ireo izay nitorian’izy ireo.
Ny Finoana
Joda dia nilaza koa fa “ Ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (Joda 3). Ny Finoana aza arak’izany dia mifanindran-dalana amin’ny “endriky ny fampianarana” izay naseho azy ireo mialoha ny batisa, ary ny “Finoana” izany dia endrim-panehaoana, tamin’ny voambolan’ny taonjato voalohany, nentina nanondro io amboaram-pampianarana io. Ny famporisihan’i Paoly ny amin’ny “hihazoanantsika mafy ny fanekena ny finoana” (Hebreo 10:23) dia afaka maneho mazava ny fanehoana am-pahibemaso ny finoan’izy ireo mialoha ny batisan’izy ireo. Mihazona ny “teny mahatoky” (Titosy 1:9) dia nilaza ny fanehoana ny “fanekem-pinoana” izay nampianarina azy ireo tany amboalohany. Ny Finoana iombonana (Titosy 1:4) dia mampiseho fa io amboaram-pampianarana io dia nifampizaran’ireo mpino rehetra, tsy nisy afa-tsy “Finoana” iray. Ny “finoana” sy ny anaran’i Kristy dia mifamatotra ao amin’ny Asa 3:16. Hitantsika fa ny anaran’i Kristy dia ampiasaina hanondroana ihany koa ny fampianarana vaorakitra ao amin’ny “Finoana”. Paoly dia nampitandrina fa, mety ho antony aram-pampiharana (I Timoty 6:10), na nohon’ny antony aram-potom-pampianarana, fa maro ireo “handao ny finoana”. Ny antony voalohany io fandaozana ny fotom-pampianara ara-pinoana io dia satria ny “finoana” dia tsy afaka ny ho faritana.
Mikasika Ny Fampiharana
Maromaro ireo fampiharana voaray ato anatin’ity amboaram-pampianarana ity “Ny finoana an’i Jesosy-Kristy” izay mirakitra fanohan-kevitra momban’ny “Fahamarinana, fahononam-po ary ny fitsarana ho avy” (Asa 24:24-25). Paoly dia nilaza toro-lalana ny amin’ny fanapahana ny mofo tahaka ny hilazany ny fitsanganana amin’ny maty. “Izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotra anareo kosa” (I korintiana 11:23). Mitovy amin’izany koa ny fampianarana hafa izay mametraka ny toeran’ny anabavy (vehivavy) ao amin’ny fiangonana :” Ianareo… tandremo ireo fitsipika izay efa natolotra anareo, Ary tiako ho fantatrareo fa… ny lehilahy no lohan’ny vehivavy…” (I Koritiana 11:2-3). Izany dia manoro fa ny fanazavana ireo zavatra ireo dia tokony ho natao mialoha ny batisa, ary ireo zavatra ireo dia tao amin’ny amboaram-pampianarana narahina tamin’ny taon-jato voalohany. Ny teny grika ilazana ny hoe“fitsipika” dia atao koa hoe “fompianarana” ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:6 et 2:15 “Mba hialanareo… amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara… ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisina taminay… tomoera tsara, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay (tsindrimandry, faminaniana) na tamin’ny epistilinay. Ireo zavatra ireo dia maneho tena maha zava-manandanja lehibe indrindra ny fanarahana antsakany sy andavany ny amboaram-pampianarana, sy ny hiatahana amin’ireo izay tsy mankato izany :”mitana mafy ny teny marina (fomba hafa hilazana ny amboaram-pampianarana) araka ny efa nampianarina , mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra” (Titosy 1:9)
Fantatra fa nisy “mpaminany sandoka” tao amin’ireo fiangoanana voalohany, izay nilaza fa nahazo fanambarana avy tamin’Andriamanitra momba ny fampianarana ka tokony ho nampidirana ao amin’ny fampianarana (Titosy 1:9, 3:8, II Timoty2:11, I Timoty 4:9) izay “mendrika ho ekena” (I Timoty 1:15,4:9) izany hoe, ao amin’ny amboaram-pampianarana izay misy ny “Finoana”. Izany no antony nampitandreman’i Jaona ny tsy “Hinoana… ny fanahy rehetra” izay milaza ho avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Ireo Fampianarana Voafantina
Ireto manaraka ireto dia ohatra mazava tsara ny amin’ny fampianarana izay nampianarina ho toy ny ampahany fototra amin’ny Filazantsara ka fantarina mialoha ny batisa:
1- “Andriamanitra dia hitsara ireo tsiambaratelon’ny olona amin’ny alalan’i Jesosy-Kristy araka ny Filazantsara” (izany hoe, izay natorian’i Paoly; Romana 2:16). Ny fampianaran’ny fitsarana ireo tompon’antoka eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy izany dia raisina ho “fototra voalohany” - Jereo ihany koa ny bokin’ny Asa 24:25; Hebreo 6:1-2).
2- Ny fiheverana fa ny famorana dia ilaina amin’ny famonjena dia lazain’i Paoly ho “filazantsara hafa” (izany hoe, filazantsara sandoka) (Galatiana 1:6). Arak’izany dia midika velively fa tsy ilaina ny mijery ny làlan’i Mosesy, ohatra hoe ny Sabata, ny famorana, sy ny sisa, dia natao ho amapahany amin’ny Filazantsara marina.
3- “Ny Filazantsaran’ny Fanjakana” dia tsy ny momban’i Jesosy-Kristy irery ihany fa koa momba ny Fanjakana ho avy; Isaia 52:7 (jereo Romana 10:15) dia milaza ny mpitory ny Filazantsara izay mamaritra ny fotoana mbola ho avy mba ahafahana miteny an’i Ziona hoe “Manjaka ny Andriamanitrao”, izany hoe, ao amin’ilay Fanjakana.
4- Ny fahalalana marina ny toetran’i Kristy dia fepetra iray amin’ny fiombonana (2 Jaona 7:10), noho izany, ny Filazantsara dia mandray ireo “zavatra“ mahakasika an’i Kristy (Asa 8:12).Mbola hita eto ihany, fa ny filazana fotsiny hoe mino an’i Jesosy-Kristy dia tena tsy ampy mihintsy.
5- Ireto fampanantenan’Andriamanitra momba ny Fanjakana dia tena zava-manan-danja manadanja sy antoky ny ain’ny Filazantsara; avy amin’io fampanantenana io no nitoriana ny Filazantsara tamin’ny i Abrahama (Galatiana 3:8) ary tamin’Israely ( Hebreo 4:2). Izany no nilazan’I Paoly tao amin’ny fitoriany momba ny fampanantenana natao tamin’ny Davida fa io no “Tenin’ny Famonjena” (Asa13;23,26). Ireo fampanantenana ireo izany dia koa manandaja fototra tokoa ao amin’ny hafatry ny Famonjena. Noho izany no nilazany fa “Izahay dia manambara ( na mitory) ny vaovao mahafaly (ny filazantsara) aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana (Asa 13:32). “Ny Vaovao Mahafalin’Andriamanitra… izay momba ny Zanany Jesosy-Kristy, izay taranak’i Davida”.
6- Mba ahalalana ireo fampanantenana dia tokony hanana fahalalalana ny tantaran’i Israely. Paoly tao amin’ny toriteniny tany Antiokia, izay voatantara ao amin’ny Asa 13, dia manome antsika famintinana fohy ny tantaran’ny Israëly ary nanindry manokana ny momba ireo fampanantenana, mampiseho hoe ahoana no fahatanterahan’izany ao amin’i Jesosy. Ny toriteniny izany dia mifototra amin’ny tantaran’I Israely izay azontsika antsoina hoe “famelabelarana iray” mirakitra ao amin’ny fampitandremana momba ireo vokatra hitranga ao amin’ny fitsarana, raha toa ka tsy minaraka ny teny izay notoriany. ( Asa 13:40-41). Ny toritenintsika dia tokony ho toy izany koa.
Famintinana
Tsy ilaina hotsindrina intsony ny lanjan’izany rehetra izany: “ Tandremo ny tenanao ny fampianarana, ka mahareta amin’izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao” (I Timoty 4: 13-16). Ireo lisitry ny fampianarana manan-danja, toy ireo nomena amin’ny tovana I dia tsy avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra mazava ho azy, nefa araka ny hevitry ny mpanoratra, ireo lisitra ireo dia mahafehy tsara ny “Finoana” sy ny “Fampianarana” ara-Baiboly, Ny tanjon’ity fandinihana ity dia hampiseho fa ilaina ny manana amboaram-pampianarana voafaritra tsara, izay ekenay rehetra sy hamafisiny ary toaviny. Ny amboaram-pampianarana koa dia tokony hifono ny toro-marika homena ireo ho atao batisa. Ary rariny loatra rariny loatra raha takiana amin’izy ireo ny hizaran’izy ireo izay rehetra nampianarina azy ireo. Matetika dia amporisihina ireo mpino mba hifikitra amin’ny “Finoana” amin’ny fotoana mahasahirana. “Azo antoka ny fototr’Andriamanitra.” Ny fahazarantsika ireo fototra voalohany sy ireo tanjon’Andriamanitra, ary ny fomba mahavariana izay hifandraisan’izy ireo dia ho fampaherezana lehibe ho antsika. Tsy misy afatsy amin’ny fitoriana sy ny fianarana mitohy hatrany no ahazoantsika lesona amin’izany, ary hananantsika ilay fahatsapana fahatokisana lalina mba ahafahantsika, tahaka an’i Paoly tamin’ny fotoana maha irery azy tamin’ny ora maizina sy voagadra, nilaza hoe” Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho… fantatro izay hinoako, ary matoky aho fa izy mahatahiry izay zavatra natolotro azy (ny fiainako sy ny rehetra momba ahy) mandram-pihavin’izany andro izay. (Timoty 4:7, 1:12).
Fanamarihana : FANEKENA AN’I JESOSY TOMPO
“Raha manaiky an’I Jesosy Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9)
Ndeha ho tsoahintsika avy amin’izay ireto zavatra manaraka ireto :
1) - Nasehontsika fa ny fiantsoana hoe: “Tompo Jesosy” dia azo heverina ho midika ny amboaram-pampianarana iray manontolo, mikasika “ireo zavatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’I Jesosy Kristy” ao anatin’izany ny batisa (Asa 8:5, jereo 8:12) Io “Fanekena” io, araka ny sombin-dahatsoratr’i Paoly, dia mety ho ny batisa. Amin’izay tranga izay izy, dia milaza ny ao amin’ny Marka 16:16 manao hoe “Izay mino (ampitahao. Manaiky amin’ny vava) sy atao batisa (ampitahao. Mitsangana amin’ny maty miaraka amin’i Kristy) no hovonjena”.
2) - Mba ahazoana tsara ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia tokony hanana fahalalana ny amin’izay ampianarin’ny Baiboly momba ny Helo sy ny toetry maha-olombelona.
3) - Romana 10:8,9 dia hita ho mifanaraka tsara amin’ny 10:13 “Fa izay rehetra miantso (Izy irery ihany amin’ny teny Grika) ny anaran’ny Tompo no hovonjena” Voalaza fa Paoly dia nanao batisa ary niantso ny anaran’ny Tompo izy irery ihany (Asa 22:16). Ny batisa irery ihany no afaka mampiditra antsika ao amin’anarany Tompo (Matio 28:19)
4) - Ao amin’ny Romana 6, Paoly dia naneho ny lanjan’ny batisa araka izany dia tsy mitombina raha afaka toko vitsivitsy eo aoriana, ao amin’ny Romana 10, ny hampianarina indray fa ny batisa dia tsy ilaina amin’ny famonjena.
5) - Ao amin’ny Romana 10:6-8, hitantsika hoe “Aza milaza ao am-ponao hoe, iza no hiakatra any an-danitra… Izay hidina any amin’ny lalina… Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao dia ny teny amin’ny finoana izay torianay “Ny teny amin’ny finoana“ izany no tokony ekena amin’ny vava, io no mifanin-dradalana amin’ny Tompo Jesosy” ao amin’ny 10:9, efa hitantsika fa ny teny hoe “Finoana” dia nanondroany ny amboaram-pampianarana iray manontolo ao amin’ny Filazantsara. Paoly mandray ny Deotoronomia 30:11-14 manao hoe “Fa izao lalàna izao andidiako anao… tsy any an-danitra izany… ary tsy any andafin’ny ranomasina ihany koa (na any ambaniny)… fa eo akaikinao indrindra ny teny”.Izy dia toa mihevitra ny “Teny… ny didy” ho milaza an’i Kristy. Toa an’Israely fahiny ho voavonjy raha nanaraka ny teny (Deotoronomia 30:16), toy izany koa Israely vaovao izay hovonjena raha mino ny Teny momba an’i Kristy. Manaiky an’i Kristy amin’ny vava dia midika ho manome ny fahatsapany ny fampianarana momba an’i Kristy. “Raha mihaino ny feon’ny Tompo (Deotornomia 30:10) dia mitovy amin’ny Romana 10:9 ”Raha manaiky an’i Jesosy Tompo amin’ny vavanao ianao” ireo fifandrifiana ireo dia midika ihany koa fa ny “Tompo Jesosy” dia fiantsoana anehoana ny fampianarana fototra ny tenin’Andriamanitra.
Tsoa-kevitra 32: Ilay Jiolahy Teo amin’ny Hazo Fijaliana
Ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana niteny tamin’ny Jesosy nanao hoe “Tompo ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny Fanjakanao Ianao. Ary Jesosy namaly azy : Lazaiko aminao marina tokoa, Anio no hihaonanao amiko any paradisa ( Lioka 23:42-43).
Ireo andinin’ireo dia lazaina fa manondro ny tsy dia maha-zava-dehibe ny batisa amin’ny famonjena, ary avy hatrany dia mankany an-danitra aorian’ny fahafatesana. Tsy izany mihitsy no lazain’io andinin-teny eto io nefa, ny mifanohitra amin’izany aza, ankoatr’ireo fahamarianana efa voalaza, dia mandrava tanteraka ireo filazana roa etsy ambony ity andininy ity, araka izany, rehefa dinihana akaiky dia ireto no zavatra hita:-
1- Ny didy mampanao batisa amin’ny fahafatesana ny fitsanganan’i Kristy dia nomena taorian’ny fitsanganan’i Kristy (Marka 16:15-16). Mbola teo ambany lalàn’i Mosesy ilay jiolahy tamin’ny fotoana nitenenan’i Kristy taminy teo amin’ny Hazo fijaliana.
2– Ny batisa marina dia tandindon’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’i Kristy. Mbola tsy nisy tanteraka anefa ireo tranga roa ireo tamin’ny nitenenan’i Kristy tamin’ilay jiolahy, tsy mbola azo notanterahana izany ny batisa ao amin’i Jesosy Kristy.
3- Ny batisa dia nampisehony fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy (Romana 6: 3-5). Ilay jiolahy irery ihany anefa no hany tokana afaka nananterako izany ara-bakiteny.
4- Mety mitombina fa ilay jiolahy dia anisan’ireo izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa. Maro tamin’ireo niova fo no olona tsy nanana toem-piainana mendrika fahiny (Matio 21:32). Lazaina fa tsy vita batisa ilay jiolahy, ny manome ny porofon’izany dia tahaka ny fanginana, izay fomba tsy dia mety loatra mba hialana amin’ny batisa. Io andalana io koa mantsy dia tsy manambara ny momba ny “fanahy” (âme) sy ny “lanitra”.
5- Ilay jiolahy dia nangataka tamin’i Jesosy ny mba hahatsiarovany azy rehefa “any” amin’ny Fanjakany Izy. Tsy olona ho nanao tsinontsinona ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany ilay jiolahy, izay notorian’I Jesosy (Matio 4:23). Fantany fa indray andro any dia hisy ny fitsarana ho fametrahana io Fanjakana io, araka izany dia nangataka tamin’i Jesosy izy, izay fantany fa hitsangana amin’ny maty mba hitsara amin’io andro io, mba hahatsiaro azy amin’ny tsara. Tsy olona tsy ampy fahalalana izany ilay jiolahy, fantany fa ny fanapahana ny Famonjena amin’ny andro fitsanganana sy fitsarana dia ho avy amin’ny vavan’i Kristy, izany teo anilan’ny nanantona azy tamin’ny hazo fijaliana. Finoana tokoa izany,
6- Jesosy namaly ilay jiolahy fa hihaona aminy any “Paradisa” Izy. Io teny grika io dia milaza toerana tonga lafatra ety ambonin’ny tany. Entina manondro ny Sahan’i Edena nohavaozina izy io, izay hita ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany (Apokalypsy 2:7), Ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny tany dia hiverina ho toy ny Paradisan’ny Zaridainan’i Edena (Isaia 51:3, Ezekiela 36:35) efa nesorina ny faharatsiana ( Apokalypsy 22:3). Ny fandihan-teny grika ny Testamenta Taloha (la Septante) dia mampiasa ny teny “Paradisa” hanondroana toerana tonga lafatra eto an-tany, amin’ireto andalana manaraka ireto : Mpitoriteny 2:5; Nehemia 2:8; Tonon-kira 4:13, Genesisy13:10. Ny “Paradisa” dia tsy tokony hafangaro amin’y lanitra raha tsy amin’ny fomba an-tsarisary ihany , raha toa ny “Paradisa very” araka an’i Milton. Ny fampanantenan’i Jesosy toerana iray dia valin-teny ho an’ilay jiolahy izzy naniry ho amin’ilay Fanjakan’i Kristy. Hitantsika tao amin’ny fampianarana faha-5 fa ny Fanjakana dia ho ety ambonin’ny tany, noho izany ny “Paradisa” dia ety ambonin’ny tany ihany koa.
7- Ny fomba fanoratra ny andininy ao amin’ny Lioka 23:43 dia toa maha-te hihevitra fa andro iray iray no hihaonan’ilay jiolahy sy i Kristy ao Paradisa. Mazava ho azy anefa fa tsy mbola voatsangana ilay Fanjakana ety an-tany. Ka tsy io andro io mihitsy no nandehanan’izy ireo ao amin’ny Fanjakana. Jesosy dia nankany amin’ny fasana (Asa apostoly 2:32) satria araka izany efa voalaza mialoha dia 3 andro sy 3 alina izy no hilevina ao an-kibony tany (Matio 12:40; jereo 16:21) tao aorinan’ny fahafatesany teo amin’ny Hazo Fijaliana. Eny fa na dia efa tao aorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza dia nilaza Izy hoe “Aza manendry ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray aho” (Jaona 20:17). Tsy tany an-danitra izany i Jesosy tamin’io andro nahafatesany io.
Marina anefa fa niteny tamin’ilay jiolahy izy nanao hoe “Anio no hihaonao amiko any Paradisa”. Io fifanoheran-kevitra io dia avy amin’ny lahatsoratra fototra, hebreo sy grikan’ny Baiboly izay tsy misy marim-piatoana (teboka na faingo) na renintsoratra (Sora-baventy), azo atao tsara ny mametraka marim-piatoana amin’io fehezan-teny io toy izao “Dia hoy Jesosy taminy: lazaiko anao marimarina tokoa, anio, no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43). Ny fandinkan-tenin’i Rotherham dia mampiasa fanindrian-kevitra faingo ao aorinan’ny teny hoe “anio”. Izany dia mifanaraka tsara amin’ny hevitry ny lahatsoratra. Nangataka tamin’i Jesosy ilay jiolahy ny mba hahatsiarovany azy amin’ny tsara amin’ny andro fitsarana, fantany fa meloka izy ary handalo fitsarana .Nefa Jesosy dia manome azy toky lehibe “Azoko lazaina anao dia anio ! tsy mila miandry ny fitsarana ianao mialohan’ny halalanao ny didim-pitsarana avy amiko - hihaona amiko ao amin’ny Fanjakana ianao!”
8- Azontsika tsoahina avy amin’izany fa ilay jiolahy teo amin’y hazo fijaliana dia nahafantatra ireto fampianarana manaraka ireto:
1. Ny fampianarana ny Fanjakan’Andriamanitra
2. Ny fampianarana ny fihavian’i Kristy indray
3. Ny fampianarana fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana
4. Ny fampianarana ny maha-tompon’andraikitra
5. Ny fampianarana ny famonjena avy amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy
6. Ny fampianarana ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty
7. Fa Jesosy dia tsy misy tsiny “tsy nanao ratsy io lehilahy io”
8. Ny filàna hanaraka ny dian’i Kristy (nantsoiny hoe “Tompo”)
9. Ny toetra maha-mpanota ny olombelona “izahay, dia tsy mendrika izahay”
Diso mihintsy izany ny fampiasana ny ohatra momba ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana mba hilazana fa ny olon-drehetra dia mety ho voavonjy raha vao mampiseho fahalinana kely ao amin’ny Kristianisma, fa ny mifanohitra amin’izay ary, isika dia tokony hanana fototra aram-pampianarana mitovy amin’izay nananan’ilay jiolahy. Raha tsy misy fototra ara-pahalalana mitovy amin’ny azy, tsy tonga avo ohatr’izany ny finoana. Kristy dia tsy nanome tolom-pamonjena an’ilay jiolahy raha izany toy izao no fihetsiny “Raha ianao marina no Kristy, vonjeo ny tenanao, ary izahay koa”. Ity farany ity dia mazava ho azy fa tsy nanana ilay fotom-pahalalàna nanan’ilay iray, noho izany , dia tsy afaka nahazo ny famonjena marina izy na dia teo aza ny tombony nandalo tamin’ny teo amin’ny Kristy.
Tsoa-kevitra 33: Ohatra iray amin’ny Fotoana Fanaovana Batisa
Mba ahafahana manome anareo fanasana mety hitondrana ny fotoana fanaovana batisa, indro tantaraina aminareo ny fotoana iray notarihan’ireo Christadelphiens tao Hartepool, Angletera, indray Asabotsy tolak’andro, Novambra 1990. Marihina hatrany anefa fa ny batisa dia mifototra fotsiny ihany amin’ny fampidirana ao anaty rano, fomba iray hiovana fo marina sy finoana marina ny Filazantsara. Ny “Fotoam-pakalazana” dia fitaovana fotsiny ihany, nofidiana mba entina hanome lanja ny fotoana. Toy izao ny fandaharam-potoana.
1) Vavaka fanokafana
2) Famakiana ny Romana 6
3) Filazalazana momba ny batisa (voarakitra etsy ambany; ovana ireo tena anarana)
4) Vavaka mialoha ny fampidirana ao anaty rano
5) Fampidirana ao anaty rano
6) Vavaka famaranana
Ohatra amin’ny Lahateny amin’ny fotoana fanaovana batisa
Tsy hisalasalana fa ity andro ity dia manan-danja indrindra eo amin’ny fiainan’i Davida; afaka minitra vitsy, dia hidina ao anaty rano izy ary rehefa mivoaka avy ao dia ho “iray tanteraka amin’ny Kristy”, ho tonga taranak’iAbrahama, noho izany, dia mpandova ny fampanantenana feno voninahitra izay natao taminy izy, izay mandrafitra ny Filazantsara.
Tsy tokony ho voafitaky ny fahatsoran’ny batisa isika, satria fantatsika rehetra, ary indrindra koa i Davida manokana, fa ity fampidirana ao anaty rano ity dia mampiray antsika amin’ny fahafatesana sy fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, toy izay efa voalaza ao amin’ny Romana 6:3-5:
“Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ny Kristy Jesosy? Dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany koa niara-nalevina tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanatsika kosa ho amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesana isika dia tahaka izany koa amin’ny fitsanganany”
Ndeha ho alaintsika sary an-tsaina vetivety, izany fitsanganan’i Jesosy tamin’ny izany, ny hatsika sy ny fahanginan’ny alina, ary ny fahatsapany amim-boninahitra an’ilay fiainam-baovao. Afaka nahita indray ny hazavan’i Jerosalema izay eny lavidavitra eny Izy. Tsy mba mahalala na inona na inona akory ireo mponina tao an-tanana ny amin’ny zava-dehibe niseho akaiky azy ireo - fa efa nitsangana ny lehilahy iray, avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana vaovao. Rehefa hivoaka ny rano i Davida tsy ho ela dia hiombona ihany koa amin’io fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty io.
Araka izany, rehefa mivoaka avy ao anatin’ny rano i Davida, ny tontolo manodidina antsika dia tsy ahatsapa akory ity tranga be voninahitra izay miseho eto ity. Tsy misy afatsy andian’olona kely, lehilahy sy vehivavy vitsivitsy mandroso mankany amin’ny rano, sy ny lehilahy iray manampy ny olona iray ho difotra ao anaty rano, no ho tazana. Nefa ireo anjely, izay efa nankalaza ny fitsanganan’i Jesosy, izy ireo koa dia mbola hifaly ankehitriny eo am-pahitana mpanota iray miova fo hitantsika tao amin’ny Romana 6 ny tokony hitondrantsika fiainam-baovao. Ny hafaliana izay ho azon’i Davida dia tokony hanaraka azy mandritra ny androm-piainany. Araka ny efa novakiantsika koa dia tsy ho andevon’ny ota intsony izy, fa ho mpanompon’Andriamanitra, tsy manao afa-tsy ny sitrapon’Andriamanitra izay naseho antsika ao amin’ny Baiboly. Mahasarika tokoa ny hihevitra io fahafahana io mba ho amintsika ihany koa, nefa raha manompo ny azy ihany isika dia tsy ho afaka, fa andevon’ny ota. Efa niova Tompo i Davida ankehitriny mba hanompo an’Andriamanitra. Misy ny fanahiana isan-karazany izay mety mitranaga eo amin’ny fahasarotan’ny fitondrana fiainantsika vaovao, ary mety alaim-panahy isika hiala amin’izany. Nefa raha izany dia tsy ho afaka isika fa ho voagejan’ny ota indray.
Ao amin’ny I korintiana 10:1-2 Paoly dia manazava amintsika fa ny fandalovantsika ao anaty rano, fanaovana batisa dia azo ampitahaina amin’ny vahoakan’Israely nandritra ny fiampitana ny Ranomasina Mena. Afaka manatsoaka sarin-teny maro avy amin’izany isika, izay ahafahantsika manatsoaka lesona maro. Nohandevozin’ny Egyptiana ny vahoakan’Israely, nitondra fiaianana mafy sy mampahory, nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo mba ho ahafahana, ary hinoana fa tsy manana hevitra ny mety ahatanterahan’izany.
Mba ho setriny dia nirahin’Andriamanitra i Mosesy, hitondra azy ireo hiala tany Egypta, ary nampanadalo azy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena sy ny tany efitra, nefa, raha mbola tany Egypta izy ireo dia tahaka an’i Davida sy ireo olona rehetra eo an-dàlana hatao batisa. Tonga i Davida, toy ny hoe eo amoron’ny Ranomasina Mena. Rehefa tafita, na hoe nivoaka ny rano, tsy ny Tany Nampanantenain’ilay Fanjakana no sendra azy avy hatrany, eny fa dia isika ireto koa, dia namindra namakivaky ny efitra. Andriamanitra dia nitondra ny firenen’Israely namaky ny efitra tamin’alalan’ny Anjeliny, izay tsy nandao azy ireo na oviana na oviana, na andro na alina. Isika koa dia manana ny Anjely izay mitoetra eo anilantsika tsirairay, mitantana antsika, mandritra ny fiainantsika rehetra, ho any amin’ny Famonjena (Salamo 34:7, Hebreo1:14)
Ny Israelita dia nihinana ny mana isan’andro izay adikan’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6, sahala amin’ny solontenan’ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy nisy io sakafo isan’andro io dia ho ringana ihany izy ireo - ho ringana tao anatin’ny fotoana fohy tany an’efitra, tsy nisy zavatra hafa azo nohanina. Dia toy izany koa isika. Izany no antony hamemperana anareo mba hahery hamaky ny Baiboly isan’andro, ary hihevitra ny amin’ny “Sakaizan’ny Baiboly” sy ireo fotoana famakiana isan’andro, izay hataonareo manomboka ao amin’ny Testamenta taloha indray mandeha, ary ny Testamenta vaovao indroa isan-taona. Manandanja sy zava-dehibe tokoa ny hanana fotoana isan’andro, ary ora raikitra raha azo atao, hamakiana toko vitsivitsy voatondro miaraka amin’ny fandinihana.
Nomarihantsika teo fa, nampitandremana ny Israelita mba tsy haka afatsy izay tena ilaina isan’andro ihany, ary hivoaka haka izany mana izany isan’andro. Ny filantsika ny sakafon’ny Tenin’Andriamanitra koa dia isan’andro. Tahaka ny tsy hanadinoanatsika ny mihinan-kanina isan’andro, dia tokony hiezaka isika mba hihinana ny Tenin’Andriamanitra koa isan’andro; Joba dia nilaza fa ny Tenin’Andriamanitra dia “mihoatra nohon’ny sakafo ilaintska”.
Israely koa nisotro ny rano avy amin’ny vatolampy izay nokapohina. Ary I Paoly dia milaza ao amin’ny I korontianina 10, fa io dia mampiseho an’i “Kristy”.
Arak’izay dia tokony hihinana sy hisotro isika, araka ny ohatra nomen’i Jesosy; ary toy izany mihitsy no atao ao amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana. Ankoatra io fivoriana io, dia tokony ho tonga o azy ny hetaheta te-hihaona amin’ireo mpiara-mizara ny Fanantenana. Ny mpandeha an-tany efitra iray dia tokony hanararaotra ny fotoana rehetra misy mba hiresahany amin’ireo mpandeha hafa ny traik’efany sy ny olana ho atrehany.Toy izany koa isika, mandeha an-tany efitra ny fiainana sy ity tontolo miharatsy ity. Tokony hanao ezaka isika mba ahafahana mifandray amin’ny tsirairay, matetika dia tsy tanteraka ny fihaonana mivantana, na mahalankalana araka ny faniriantsika, amin’izany dia ampiasana ny fitaovanam-pifandraisana hafa , ohatra: mifanoratra, na amin’ny famakiana boky, sy ny sisa…
Noresantsika teo ny andraikitsika ny amin’ny fomba fiainantsika vaovao, sy ireo zava-maro tokony hataontsika. Nefa aoka isika tsy hihevitra, fa ny fanaovantsika zavatra, ohatra, ny famakiana isan’andro ny Baiboly dia tokony hanome valisoa antsika Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra ihany ao no mampandray anjara antsika amin’ny Fanjakany ho toy ny fanomezana fa tsy tamin’ny asantsika (Romana 6:23). Ankoatr’izany koa, diso isika mihevitra fa ny batisa dia hevitra tsara, satria izy manome antsika vintana mba hidirana any amin’ny Fanjakana. Ny Fahamarinana, ny Fitiavan’Andriamanitra ary ny fandresen’ny Kristy no manome ny antoka bebe kokoa. Andriamanitra dia tena mila an’i Davida marina tokoa, ary isika rehetra eto koa, ho ao amin’ny Fanjakana. Lehibe tokoa izany ka tokony hahatsiaro foana isika, sy hanao izay hamaliana izany fitiavan-dehibe avy amin’Andriamanitra izany.
Rehefa tafavoaka ny Ranomasina Mena Israely dia nisy haravoana lehibe, nanao hira Mosesy, ary niravoravo ny olona rehetra. Ao amin’ny Salamo 105: 37-41, dia voatantara izany, naseho fa Andriamanitra dia nanome azy ireo izay nilainy rehetra tamin’ny dian’izy ireo.
“Navoakany izy ireo ( ny vahoakan’Israely, avy tany Egypta) niaraka tamin’ny volamena sy volafotsy, ary tsy nisy osa tamin’ireo olona tamin’ny foko rehetra. Ny Egyptiana dia faly nahita azy ireo lasa satria natahotra azy ireo izy ireo. Nanao rahona handrakotra azy ireo izy, ary afo hanazavana ny alina. Noho ny fangatahin’ny olona, nomeny papelika ary nomeny fahafahampo tamin’ny alalan’ny mofon’ny lanitra. Novakiany ny vato ary nivoaka avy tao ny rano ka nikoriana tamin’ny tany maina toy ny renirano”.
Antsika koa izany hafaliana izany, ireo ho rahalahinao sy tamin’ny anabavinao tsy hoe ela, izay manatrika ny batisanao eto. Hafalian’Andriamanitra koa, izany, an’i Jesosy sy ny Anjely izay manaramaso anao tokoa amin’izao fotoana izao. Enga anie ny tsirairay mba hitahiry ny fanantenana sy ny hafaliana “mafy orina hatramin’ny farany” mba ahafahana hihaona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Zanany Lahitokana, ny Tompo Jesosy-Kristy.
Ndeha isika hamonjy ny trano fisoloana mba hisolo akanjo ary avy eo dia hidina ao anaty rano…
Fandalinana faha 10: Fanontaniana
1. Afaka ho vonjena ve isika raha tsisy ny batisa?
2. Midika inona ny “batisa”?
a) Fianianana?
b) Fafy rano?
c) Finoana?
d) Fidinana, fisitrihana tanteraka anaty rano?
3. Araka ny Romana 6:3-5 inona no tranga ho lazaina amin’ny batisa?
4. Rahoviana isika no tokony atao batisa?
a) Raha mbola zaza kely?
b) Rehefa liana amin’ny Baiboly?
c) Rehefa te-hiditra amin’ny fiangonana iray?
5. Ao amin’ny inona isika no atao batisa?
a) Ao amin’ny fiangonana manao batisa antsika
b) Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
c) Ao amin’i Kristy
d) Ao amin’ny Fanahy Masina
6. Inona no mitranga avy hatrany raha vao vita batisa?
a) Tonga taranak’i Abarahama?
b) Tsy afaka manota intsony?
c) Voavonjy mandrakizay?
d) Voavela ny fahotantsika
7. Ny batisa ihany ve no afaka mahavonjy antsika?
8. Mahazo ny fanomezam-pahasoana mahagaga avy amin’ny Fanahy Masina ve isika aorian’ny batisa?