Inona ny Filazantsara ?

Tsara ny mahita anao manokana fotoana handinihana ny hafatry ny Baiboly. Angamba ianao mailo amin’ny zavatra mikasika ny fivavahana. Mandeha any am-piangonana, manao ireo fombafomba, manaraka ireo fomba fanao mahazatra. Izahay koa dia miombon-kevitra aminao. Ny Baiboly dia mampianatra fa Andriamanitra dia velona ao am-pon’ny olona izay mihaino ny Teniny. Ireo fotoam-pivavahana tokony ho arahatntsika dia ireo izay ny Baiboly irery ihany no manazava azy tsara, nefa vitsy ihany izany ao amin’ny Baiboly. Atao batisa amin’ny alalan’ny fampidirana ao anaty rano sy manapaka ny mofo isan-kerinandro ho fahatsiarovana an’i Jesosy – ireo no zavatra roa loha tena manan-danja.

Olon-tsotra ihany angamba ianao ary tianao ho amin’ny fiainanao Andriamanitra nefa tsy dia te-handeha lavidavitra kokoa ianao. Maro amintsika tokoa no eo amin’izany toerana izany : mamaky valonan-taratasy mifono hevim-pivavahana isika, manatrika ady hevitra ara-Baiboly isika, mandray anjara amin’ny ady hevitra mikasika ny Baiboly isika. Tsara tokoa ny hinoantsika ny fisian’Andriamanitra satria zavatra antoka izany. Nefa misy zavatra maro tokony ho hita. Eo ampianarana ny Teniny, ny Baiboly, dia afaka mianatra mahalala azy isika ary mahazo anjara amin’ny fikasany mandrakizay. Io boky io dia voasoratra tamin’ny alalan’ny Fanahi’Andriamanitra izay nanosika ireo olona hanoratra azy, tsy tenin’olombelona tsotra ihany toy ireo boky maro hafa. Noho izany io boky io dia mendrika ho dinihana.

Angamba koa ianao mihevitra fa efa mahalala ny zava-drehetra. Nijery ny Baiboly ary tonga nahalala ny zavatra rehetra. Fa raha tena manana fahitsiam-po ianao dia tokony hihaiky fa misy zavatra tsy ampy ao amin’ny fahalalanao. Misy fisalasalana tavela, fanahiana ny ho avy, tsy fanananana fahatokisana ny amin’ny hoavintsika… ahiahy izay manaraka ny ankamaroan’ireo lehilahy sy ireo vehivavy toy ny alika mainty hatrany am-pasana. Aminao no hitenenako : Andramo ihany indray maka indray. Angamaba ireo fandikan-kevitr’olombelona dia mahatonga fifangaroana ny amin’y fomba fandinikao ny Baiboly. Miverena ao amin’ny laha-tsoratry ny Baiboly irery ihany.

Angamba ho anao, ny kristianisma dia tsy inona tsy akory fa “fanalana andro ara-tsaina” fotsiny ihany, fialamboly entina mba hialan-tsasatra, fiatoana hafa tsy maharitra eny an-dalana… izay hitondra any amin’ny fasana. Fohy loatra ny fiainana mba ahafahana mahazo ireo toetra tokony hananana. Indray andro any ianao dia hitoeta ao amin’ny fasanao, indray andro any dia ho avy aminao ny fihafarana mahatsiravin’ny fahafatesana. Ankehitriny, henoy izay lazain’ny Baiboly, miangavy anao aho, ho amin’ny tsara ho anao, manokanà minitra vitsivitsy eo amin’ny fiainanao mba handinihana izay lazainy.

Ndeha hatrehantsika ary ny fanontaniana izay apetratsika amintsika izao hariva izao : Inona ny Filazantsara ?

Raha sitrakareo, sokafy ny Testamenta Vaovao ao amin’ny Matio 1.1. Eto i Matio dia manomboka ny fanazavany ny Filazantsara. Vakiantsika :

Ny filazana ny razan’i Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.

Tsy zavatra toy izany no nandrasantsika. Matio dia milaza fa Jesosy dia taranak’i Davida sy Abrahama. Izay no fiandohan’ny Filazantsaran’i Matio. Mitovy amin’izany koa ny fomba fahitan’i Paoly. Jereo ao amin’ny Galatiana 3.8.

Ary satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’i Abrahama rahateoizy, nanao hoe : “aminao no hitahiana ny firenena rehetra.”

[Ny teny hoe “Filazantsara” eto dia tsy inona tsy akory fa ny “Evanjely” amin’ny lahatsoratra fototra ihany.] Araka izany ary ny Filazantsara dia nampanantena an’i Abrahama. Izay no voalazan’I Paoly. Raha afaka mahazo izay nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama isika dia afaka hahazo ny Filazantsara. Ndeha ho ao amin’ny Testamenta Taloha ary ho jerentsika izay nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama. Atombotsika ao amin’ny Genesisy 17.8 :

Ary homeko anao sy ny taranakao any aoriana ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny aho.

Andriamanitra dia niteny tamin’i Abrahama fa izy sy ny taranany dia hiaina mandrakizay eto amin’ity tany ity. Ny fiainana mandrakizay izany dia hevitra hitantsika ao amin’ny Testamenta taloha. Mariho io satria ny hafatra manan-danja ao amin’ny Baiboly dia sahala ihany hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana. Ahoana no fihavian’izany ? Hiverenantsika ny Genesisy 22 : 17-18

Dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.

I Abrahama dia hanana zanaka lahy izay ho loharanon’ny fitahiana ny tany rehetra. Mba hahazoana ny Baiboly, ndeha hozahantsika ny filazan’ny Baiboly ary homentsika ny fandikany izany, ny andian-teny izay avy novakiantsika dia voalaza tao amin’ny Testamenta Vaovao, ao amin’ny Asa 3 : 25-26 Jereo ireo andininy ireo mba ahitana ny dikany :

Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy izy tamin’i Abrahama : “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. Andriamanitra, rehefa nanaganana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ny fialanareo rehetra amin’ny faharatsianareo isam-batan’olona.

Iza ary io taranak’i Abrahama io ? Izy no Jesosy. Inona io fitahiana izay homeny ny olona amin’ny tany rehetra io ? Ny famelan-keloka ny fahotana sy ny famonjena. Ho arahintsika io hevitra io. Jereontsika Galatiana 3.16:

Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy nolazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anakiray, “ary ho an’ny taranakao”, dia i Kristy izany.

Araka izany dia lehilahy iray ihany no taranak’i Abrahama – tokana – Jesosy. Nefa nahoana moa io lehilahy tokana io no ho tonga marobe, maro tahaka ireo kintana eny amin’ny lanitra ? Vakiantsika ny Galatiana 3:27-29.

Fa na iza na iza no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha an’i Kristy ianreo dia taranak’i Abrahama sy mpandova ny teny fikasana.

Ireo izay vita batisa ao amin’i Kristy irery ihany no manana anjara amin’ireo fampanantenana - ireo teny fikasan’ny fiainana mandrakizay eto ambonin’ny tany. Izay no antony tokony tsy maintsy hanaovana batisa antsika raha tiantsika ny ho voavonjy ! Paoly dia nilaza fa ny fanantenany dia ny “fanantenan’ny Israëly” (Asa 28.20). Rehefa teo anatrehan’ny fahafatesana izy, izany no fanantenany – ny fanantenan’ny Israëly. Inona ary noho izany ny batisa ? Tsy famafazana rano. Ny Testamenta Vaovao nosoratana tamin’ny teny grika ary ny teny nadika tamin’ny teny frantsay hoe “batemy” dia milaza dikan-teny marina hoe : “fampidirana anaty rano”. Ampiasaina io teny io entina milaza ny sambo rendrika, izay nilentika anaty rano, na koa ny lamba izay lokoina amin’ny loko hafa ka atsoboka ao anaty loko. Jereontsika Matio 3.13-16:

Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo anoloan’I Jordana, dia nanantona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko ? Fa namely Jesosy ka niteny taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety hataontsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hinany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

Jesosy “nidina” tao anaty rano sy “nivoaka” avy tao anaty rano. Natao batisa toy ny olon-dehibe Izy fa tsy toy ny zazakely, tamin’ny fampidirana tao anaty rano fa tsy tamin’ny famafazana rano. Ary izany no antony nanaovana azy tao amin’ny renirano. Ary raha natao batisa Izy dia tokony hanao izany koa isika. Ny fanaaovana izany amin’ny alalan’ny fanasitrihana anaty rano sy famoahana avy tao anaty rano dia tandindon’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty : amin’ny fanaovana batisa, dia maneho isika fa tapa-kevitra ny hizara ny fahafatesany sy ny fitsangananay tamin’ny maty. Izay no antony anaovana azy amin’ny fampidirana anaty rano fa tsy amin’ny famafazana rano. Jereo Romana 6.3-5:

Tsy fantareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho an’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ? koa naira-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesana isika, dia tahaka izany koa amin’ny fitsanganany.

Izany no antony amporisihanay anareo hatao batisa – raiso ho toy ny tanjona eo amin’ny fiainana ny fanekena an’i Jesosy Kristy ! Rehefa vita batisa ao amin’i Jesosy dia lasa iray aminy isika, mihatra amintsika ireo fampanatenana. Rehefa miverina eto an-tany Izy dia hatsangana isika, ho tsaraina ary avy eo, raha toa isika ka nitoetra mahatoky tamin’ny Tenin’Andriamanitra, dia handray ny fiainana mandrakizay izay efa ananany ankehitriny. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany isika. Rehefa mino izany isika dia hisy heviny vaovao ny fiainana, na inona na inona olana ara-materialy dia ho tsapantsika fa mandalo ihany izany ary ho avy indray Kristy, hanome antsika fiainana vaovao sy mandrakiza Izy. Izay no manambara fa ao amin’ny Baiboly sy ao amin’i Kristy no misy ny FANANTENANA tena izy. Lehibe loatra ny fanantenantsika koa ireo olana ankehitriny dia toa tsy lehibe firy.

Nefa ahoana no ahafahan’ity lehilahy Jesosy ity mamonjy antsika ? Izy no mpisolo tena antsika ary noho izany no tokony hanaovantsika batisa ao amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty : satria Izy dia tahaka antsika ihany koa. Jereo Hebreo 2.14-18:

Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainanany tamin’ny fanandevoza noho ny tahotra ny fahafatesana. Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny fa taranak’i Abrahama no vonjeny. Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panhy koa Izy.

Mariho fa ny devoly dia tsy biby, tsy dragona. Ny voambolana ampiasaina eto dia entina manome endrika ny fahotana. “Ny fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6.23), fa eto isika dia mamaky fa ny “devoly” no manana ny “herin’ny fahafatesana”. Tsy maintsy manohitra ny tenatsika ihany isika fa tsy manohitra fisiana tsy hita maso avy ivelany. Mariho ao amin’ny andininy faha-14 ny fanindiriana ny maha-olombelona an’i Jesosy : “Koa dia mba nandray izany koa Izy (araka ny endrintsika, “rà sy nofo)”. Na izany aza ny ankamaroan’ny ‘Kristiana’ dia mampianatra fa misy Andriamanitra telo ao amin’ny trinité (*na ny telo izay iray) ary ny iray amin’ireo dia Jesosy. Nefa tsy izany no voalazan’ny Baiboly. Ary araka ny bokin’ny Hebreo dia manandanja tokoa ny tokony haha-marina tanteraka ny fomba fahazoantsika ny momba an’i Jesosy. Nanana toetra toa antsika Izy. Manipika izany in’efatra misesy ny lahatsoratra. Nalaim-panahy toa antsika Izy. Ary ahoana no fomba angalam-panahy antsika ? Jereontsika Jakoba 1.13-15:

Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe : Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy ny fitahiny izy.Ary ny filana, rehefa torotoronina dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.

Izany dia manambara fa Jesosy dia nanana ny toetrantsika olombelona. Tsy azo alaim-panahy Andriamanitra, araka ny Jakoba, fa I Jesosy kosa dia nalaim-panahy. Milaza izany ny bokin’ny Hebreo. Noho izany Jesosy dia tsy Andriamanitra. Olombelona Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra ara-pahaterahana, ilay taranaky Davida sy Abrahama avy amin’i Maria. Toy izany koa, Andriamanitra dia tsy mety ho nateraka, nefa i Jesosy dia nateraka. Andriamanitra dia tsy mety maty, nefa i Jesosy dia maty. Tsy afaka mahita an’Andriamanitra isika fa ireo olona kosa nahita sy nikasika an’i Jesosy. Izy no Zanak’Andriamanitra avy amin’i Maria. Jereo Lioka 1.31-35:

Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hatao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka atao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. Ary hoy Maria tamin’ilay anjely : Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho ? Ary ilay anjely namaly nanao taminy hoe : Ny Fanahy Masina no ho tonga aminao, ary hisy herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay hateraka dia hatao Zanak’Andriamanitra.

Mariho fa ireo teny rehetra dia amin’ny filazam-potoana ho avy daholo ! Ho Zanak’Andriamanitra Izy, Hanan’anaka i Maria – izay no fiantombohan’i Jesosy, na dia efa nisy hatrany ampiandohana niaraka tamin’Andriamanitra ny hevitra, ny Logos Jesosy. Mariho fa vehivavy tsotra ihany i Maria. Jesosy dia taranak’i Abrahama sy Davida – tsy mety raha taranak’izy ireo ny reniny. Raha Andriamanitra Jesosy, dia ho renin’Andriamantra izany i Maria ary tsy ho vehivavy tsotra mihitsy. Raha toa ka ny fampianaran’ny Baiboly fa Jesosy dia sady Zanak’Andriamanitra no “zanak’olona” ihany koa, taranak’i Abrahama sy Davida tamin’ny alalan’i Maria, dia mazava ho azy fa vehivavy tsotra ihany i Maria. Arak’izany na izy rehetra na tsisy – rafim-pinoana iray marina na rafim-pinoana iray diso. Zava-dehibe ny finoana ny fahamarinana satria ireny dia miatraika amin’ny fomba fiainantsika. Jereo Hebreo 4.15-16:

Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa izay nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanantona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.

Satria Jesosy nizara ny toetrantsika, dia afaka mivavaka amin’ny alalany amin’Andriamanitra amim-pahatokiana isika. Tsy mila pretra olombelona isika na tranobe voatokana na mpitandrina mba hahatonga ny vavaka taontsika mba ho ekena.

Ho fitinintsika ireo hevi-dehibe izay novoaboasantsika :

1. Tsy misy afatsy Andriamanitra tokana ihany, fa tsy trinité (* na telo izay iray)

2. Jesosy dia Zanak’Andriamanitra fa tsy Andriamanitra akory, mbola tsy nisy Izy talohan’ny nahaterahany. Niaritra fankam-panahy sy traik’efa maha-olombelona Izy, nefa tsy nanota na oviana na oviana. Nanome ny ainy ho antsika Izy tamin’ny fahafatesana mahatsiravina nefa, satria tsy nanota Izy dia nanangana Azy tamin’ny maty Andriamanitra.

3. Avy amin’ny Batisa ao amin’i Kristy, izany hoe fanasitrihana ao anaty rano ny olon-dehibe iray, dia mizara ny amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany isika.

4. Rehefa miverina Jesosy dia hatsangana isika ary ho tsaraina, handray fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakany, izay hitoetra eto an-tany. Io Fanjakana io dia sahala ilay tamin’ny andron’ny zaridaina tao Edena, raha tonga namorona ny olombelona Andriamanitra – mbola ho tsara lavitra aza izany. Ireo olana manjo ny olombelona ankehitriny – ny ady, hanoanana, alahelo, fahafatesana – ireo olana ireo dia ho foana avokoa.

5. Ao aorian’ny fahafatesana dia tsy hahatsiaro tena isika, Ny “Helo” dia tsy inona fa ny fasana ihany.

6. Ny fanahy (âme) dia mety maty, vovoka isika ary hody ho vovoka. Ny fanahy (esprit) dia ny herin’ny fiainana ao anatintsika izay alain’Andriamanitra indray rehefa maty isika. Tsy mitohy amin’ny fisiana mahatsiaro tena isika ao aorian’ny fahafatesana.

7. ‘Satana’ dia sarin’ny filan’olombelona ratsy ao anatintsika izay tokony ho toherintsika. Tsy ny anaran’ny dragona na bibidia ratsy tareha izay tena misy azo tsapain-tanana akory. Andriamanitra dia mahery 100 isan-jato, tsy mizara ny heriny amin’i Satana Izy. Ny olana rehetra ananantsika dia avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’i Satana; ireny izany dia manana tanjona tsara ara-panahy.

8. Eo am-pamakiana ny Baiboly mba ho antsika manokana, dia afaka mahita ny tena lalana mankany amin’Andriamanitra isika.

Mamporisika antsika ary ny tenako mba handinika ireo zavatra ireo sy tsy hitsahatra mandram-pahazoantsika ny fahalalana ny filazantsara marina. Manantena aho fa hanaraka ny fampianarana maimaimpoana ny Baiboly ataonay ianao ary handray ho tanjona ny batsia amin’ny alalan’ny fanitrihana anaty rano indray andro any, azo antoka fa hahazo fanantenan’ny fiainana mandrakizay ianao. Marina fa tsy azontsika sary saintsainina ny fiainana mandrakizay. Tsy afaka manolotra afatsy sary iray aho, tsipika iray tsy manam-pahataperana izay hitantsika miatoraka eny lavitra eny, ary amin’ny fiainantsika ankehitriny dia tsy mahita afatsy ampahany milimetatra vitsivitsy amin’ny fiandohany akory isika. Ity no tena fanantenantsika marina, raha toa ka vita batisa ao amin’i Jesosy isika ka miaina ao aminy. Miangavy anao aho mba handray ity amim-pahamatorana fa tsy handray fotsiny azy ihany ho toy ny antokom-pivavahana, tahaka ny zavatra tsotsotra fotsiny ihany.

Duncan Heaster

MIANARA MAMAKY BAIBOLY AMIM-PAHOMBIAZANA

MAIMAIM-POANA !

Maro ny fiangonana fa iray ny Baiboly. Mamporisika anao izahay mba hanana hetaheta hamaky Baiboly ho anao irery ary hahitany ny hafatra marina. Mino isika fa iray ihany Adriamanitra, Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, izay nanana ny toetrantsika; ary isika dia tokony hatao batisa amin’ny fidirana tanteraka anaty rano mba hahazo tombony amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Ho avy tsy ho ela Izy hametraka ny Fanjakany eto an-tany [Tsy any an-danitra]. Arahabaina ianao mandefa ity tapakila ity ahazoana boky MAIMAIM-POANA ahafahanao mianatra Baiboly.


Anarana:________________________________

Adiresy:_________________________________

_______________Tel :_____________________

Teny (Frantsay/Anglisy):____________________

Maniry hatao batisa aho : (Tsipiho azafady)

Alefa any amin’i :

Bible Basics, PO Box 3034, South Croydon, Surrey CR2 0ZA ENGLAND

change language settings suitable for 800x600 display use full page width
Available languages:
free bible basics